airtel

Politique

18-nov-2026

FIFIDIANANA

Ataovy zakan’ny rehetra ny

Sample post image

caution », hoy Kohen Rivolala

18-nov-2026

Naneho ny heviny mikasika ireo karazana fifidianana izay hotontosaina eto amin’ny tany sy ny firenena i Kohen Rivolala, Filohan’ny antoko politika Ctic Ctac Dou an’i Madagasikara. Ataovy zakan’ny rehetra ny caution na ny antoka ara-bola hoy izy hahafahan’ireo mpampianatra manam-pahaizana eny amin’ny oniversite mirotsaka hofidiana ihany koa. Antonony izany raha 5 tapitrisa Ar ho an’ny fifidianana Filoham-pirenena ary 400.000 Ar ho an’ny fifidianana solombavambahoaka. Aza hatao 1 miliara Ar izany hoy izy fa izay efa nitondra sy nitantana ny Firenena teo ihany no manana izany miaraka amin’ny mpangalatra. Toraka izany koa ireo olon’ny vahiny izay tsy manan-katao afa-tsy ny manao ny sitrapon’ireto farany fotsiny rehefa lany avy eo hany ka tsy misy fampandrosoana vanona. Notsiahivina moa fa betsaka ireo olona mahay te-hitantana ny firenena saingy tsy manana fahafahana handoa io volabe io. Tokony hofidiana ihany koa ny sefom-pokontany hoy hatrany izy, miampita amin’ny Ben’ny tanana izany, ny Filoham-pirenena ary ny solombavambahoaka. Tsy adinony nandritra izany ny nanolo-kevitra fa tokony hosaziana avokoa izay rehetra tsy mandeha mifidy mandritra ny androm-pifidianana. Andro tsy fiasana izany hoy izy nefa handraisan-karama saingy mbola misy mandeha mamboly vomanga ihany ny sasany. Miantoka ny ho avin’ny firenena anefa ny fifidianana ary tokony hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana avokoa izay feno 18 taona rehetra.
Pati
Legende : Kohen Rivolala, Filohan’ny antoko politika Ctic Ctac Dou an’i Madagasikara !
 

Dans la même rubrique

18-nov-2026

Manohana dingan’ny fanavaozana,

Card image cap
18-nov-2026

Manolotra ny

Card image cap
18-nov-2026

Manolotra fanjakana

Card image cap
17-nov-2026

Tsy ny tetiandro no tena olana

Card image cap