airtel

Politique

18-nov-2026

Hery politika

mitambatra

Sample post image

Manolotra ny

18-nov-2026

Fizakam-paritra» ho vahaolana
Nandray anjara feno tamin’ny fivoriambe natao teny amin’ny CCI Ivato ny alatsinainy 9 sy talata 10 novambra 2026 teo ny vondrona politika HPM na Hery politika mitambatra, hoy ny fanambaràna nataon’ny filohan’izy ireo, Robert Razaka, omaly. Ny antony, hoy izy, dia ho fanolorana ireo fehinkevitra ho fanatsaràna ny fifidianana. Nanasonia ny tondrozotra tamin’ny raharaha 2009 ny HPM ka ho azy dia efa zava-dehibe ny finiavana nanatanteraka iny fivoriambe teo iny. Nahitàna ny fandraisan’anjaran’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena izany na dia nisy indro kely aza. Hamafisin’ny HPM ny fanerena ny malagasy feno 18 taona rehetra handatsa-bato ka ho verezin-jo ireo rehetra tsy mamita ny adidiny eo amin’ny raharaham-pifidianana rehetra misy eto Madagasikara. Takiana ny hanovàna ho biometrika ny kara-panondrom-pirenena. Hanamaivana ny hosoka mety hitranga amin’ny fifidianana isan’ambaratonga izany. Ankasitrahana ny fanatanterahana amin’ny taona 2027 ny fifidianana lalàmpanorenana, izay hahafahan’ny vahoaka malagasy hametraka lalàmpanorenana vitsivitsy mety avoakan’ny fikaonandoham-pirenena. Ankaherezina hatrany ny FFKM sy ireo rafitra hanankinana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena rehetra mba ho tena harisika amin’ny fanafainganana ny dingana rehetra ao anatin’izany hahatongavana amin’ny fanorenana ifotony ny firenena. Anaty fikaonandoham-pirenena no hahafahan’ny rehetra manolotra tolo-kevitrana lalàmpanorenana hitondràna ny firenena. Tena manana volavolana lalàmpanorenana atolotra, izay raisina isam-paritany, atolotra amin’izany fotoana izany ny HPM. Manolotra ny atao hoe «Faritra mizaka tena» izay hametrahana renivohi-paritra miisa 3 ihany eto Madagasikara ny HPM dia ny faritra afovoany, izay miaraka amin’i Toamasina, raha mety. Eo koa ny avaratra izay misy an’i Mahajanga sy Antsiranana ary ny atsimo, misy an’i Fianarantsoa sy Toliara. Ireo ny faritra mizaka tena fa ampitomboina koa ny faritra misy amin’izao fotoana izao ary tokony hiampy koa ny distrika. Ny MFM izao tamin’ny fotoan’andro nametraka faritra miisa 28 ary maninona moa raha 30 mihitsy? Ny faritra mivantana amin’izay fotoana izay no mamehy ny toekareny, mahita tsara ny tokony atao amin’ny fihariana ao amin’ilay faritra. Ny anjara vola tokony ho azon’ilay faritra amin’izay fotoana izay dia tena ho araka ny tokony ho izy fa tsy mivangongo daholo aty amin’ny fanjakàna foibe fotsiny toy ny hita hatramin’izay. Ny lafiny ara-tsosialy moa dia hihamafy ny fihavànana eo amin’ny samy malagasy. Hanatona vahoaka amin’izay fotoana izay ny fahefàna ary hitombo ny fandriampahalemana na dia 598.000km2 aza ny velaran’ity Madagasikara ity. Ho tena feno fa tsy sarintsariny intsony ny fahefàna isam-paritra amin’izay antsoina hoe «Fizakàm-paritra» izay, hoy hatrany ny Hery politika mitambatra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-nov-2026

Manohana dingan’ny fanavaozana,

Card image cap
18-nov-2026

caution », hoy Kohen Rivolala

Card image cap
18-nov-2026

Manolotra fanjakana

Card image cap
17-nov-2026

Tsy ny tetiandro no tena olana

Card image cap