tokontanim-pifidianana»
Tsy azo hamaivanina izany ain’olona niisa 35 latsaka tamin’ny raharaha Ambohimalaza izany, hoy ny mpandinika fiainàm-pirenena, Jean François Raharijaona. Malagasy mpiray tanindrazana ireny, hoy izy. Te hampiseho firosoana amin’ny mangarahara anefa ao anatin’izany ny fitondràna fanavaozana. Mba tsy hisian’ny mizàna mitanila nefa dia iarahantsika mahalala fa maro ankoatran’iny raharaha Ambohimalaza izay ampitaina mivantana amin’ny haino aman-jery iny koa ny raharaha hafa namoizana ain’olona maro teto amin’ny firenena ary tsy mila ampahatsiahivina fa niarahantsika mahalala izany. Raha hitantsika moa fa mety sy tsara ny fampitàna izao raharaha Ambohimalaza izao dia maninona raha tohizana atao toy izany koa ireny raharaha hafa ireny? Mampitombo ny fitokisàn’ny vahoaka ny mpitondra izany ary mampiroso any amin’ny mangarahara. Ny fitsaràna teo voatsikera ho tsy misy izany mangarahara izany dia mampiseho ny fangaraharahana amin’ny asany izany izy io izao. Miditra isika izao anatin’ny atao hoe fikaonandoham-pirenena dia efa maro ireo sehatra nahavita ny azy manokana, raha tsy hilaza vitsivitsy toy ny polisy sy mpitsara na koa ny tanora. Tsara tokoa raha ny hevitra avy any ifotony no entina hamoahana ny atao hoe fehinkevitra na «résolution» fa tsy sanatrian’izany hoe zavatra efa voaomana any ambadika any. Ny dinika tadidio fa mandany fotoana sy vola ka raha zavatra efa voaomana tany ambadika avy eo no hasolo ny tena fehinkevitra anatin’ireny dia hiverina anatina krizy foana ity firenena ity. Raha hiresaka fifidianana izao ny tena satria tsy maintsy miafara amin’izany ny fivoahana anatina krizy dia amin’ny maha tsy manana andraikitra anatin’ny fitondràna fanavaozana mihitsy no ilazàna hoe aleo alamina araka ny ambaran’ireo mpanao politika aloha ny tokontany mba tena ho fifidianana milamina no atrehina. Adidin’ny mpanao politika, fiangonana, mpinamana, ny rehetra ny manentana ny olompirenena rehetra. Efa mandeha moa ny fanentanan’ny CENI amin’ny fisoratana anarana anaty lisitra fa raha ny hita aloha dia raha hiazakazahantsika ho tontosaina amin’ny 2027 ny fifidianana filoham-pirenena ka azo antoka hoe ho vita milamina sy tsy hiteraka olana vaovao indray dia inona no maha ratsy izany? Raha mbola tsy milamina kosa satria isika izao mbola mikasa hifidy lalàmpanorenana hidirana any amin’ny repoblika faha 5 dia aleo alamina aloha ny tokontany. Mila atao mazava ny datin’ny fikaonandoham-pirenena izay ho atao mialohan’io fifidianana lalàmpanorenana io. Ny rehetra efa manaiky fa raha tena te hanova tsy hanao ny hadisoana tany aloha intsony isika dia mila atao miainga any ifotony ny fifidianana. Ny mpamatsy vola no maika foana amin’izany fifidianana filoham-pirenena mandeha aloha izany na dia tsy naha tafita ny tena hevintsika mihitsy aza. Na atomboka any ifotony koa aza anefa io ka mbola tsy miova hijery ny tena tombontsoam-pirenena sy tsy miteraka fampandrosoana ny toetsaintsika dia ho very fotoana eto foana. Tsy maninona na miitatra aza ny fotoana handaminana tokontanim-pifidianana mba tsy hisian’ny krizy intsony, hoy hatrany izy.
J. Mirija