airtel

Politique

20-nov-2026

Nanamafy ny PRRM

« Tsy hitarazoka ny

Sample post image

fikaonandoham-pirenena,

20-nov-2026

ao anatin’ny 2 taona ny fifidianana »
Nisy omaly ny fihaonana teny Iavoloha notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana na ny PRRM niaraka tamin’ny FFKM sy ny teknisianina ao amin’ny mpandrindra nasionaly, ny Primatiora tarihin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, ny Minisitera misahana ny Fanavaozana ary ny Komity teknika manokana (CTCN). Fivoriana natao hanolorana ny fivoaran’ny fanomanana sy fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena. Nanolotra tatitra fohy momba ny lafiny teknika, ny fandrosoan’ny asa ary ny filàna ara-bola ny FFKM. Fantatra fa ny 8,33%-n’ny tetibola hatreto no efa nivoaka ka nahafahana nanohy ny fanomanana. Mba hanajana ny lalàna mifehy ny famoaham-bola amin’ireo asa maro sy ny fitaovana ilaina anefa dia tsy maintsy nifandinika ny rehetra mba hitandroana ny mangarahara sy hisorohana ny olana any aoriana. Notsongaina ihany koa ireo pitsopitsony ara-teknika vitsivitsy mila vahana haingana mba tsy hanakorontana ny firosoana amin’ny tena votoatin’asa. Nambaran’ireo mpandray anjara fa ny fahavitan’ny Fikaonandoham-pirenena am-pilaminana sy am-pahombiazana no hahafahana miroso amin’ny fifidianana kasaina hatao. Nanamafy ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, fa tsy maintsy mandroso ny dingana satria hiandry izany ny vahoaka malagasy sy ny fiarahamonina iraisam-pirenena. “Efa nanome toky azy ireo aho fa tsy maintsy hirosoana ny fifidianana ao anatin’ny roa taona araka ny tetiandro efa napetraka ka tsy avelako hitarazoka ny fikarakarana ny Fikaonandoham-pirenena satria manjary mihemotra koa ny fikarakarana ny fifidianana rehetra. Ary izaho dia manamboninahitra ambony nivoaka tao amin’ny Akademia miaramila, olona mitazona ny teny nomeny fa tsy mivadibadika ka mila vahana izao izay olana tsy mampandroso ny Fikaonandoham-pirenena”, hoy ny PRRM. Nahatratra ora iray sy sasany teo ho eo ny fifampiresahana, raha ny tatitra ofisialy. Nivoitra nandritra izany ny fahavononan’ny rehetra hitady vahaolana amin’ireo olana ara-teknika sy ara-pitantanana. Nambaran’ny FFKM fa afak’andro vitsy dia hotanterahana eny ifotony ireo vahaolana nifanekena nandritra ny fihaonana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Toky R


 

Dans la même rubrique

20-nov-2026

aza ny fotoana handaminana

Card image cap
19-nov-2026

fiaraha-miasa ara-toekarena

Card image cap