airtel

Politique

15-juin-2026

Zaza Ramandimbiarison

«Atsaharo ny rafitra tsy

Sample post image

mahasoa ny vahoaka intsony!»

15-juin-2026

Atsaharo ny rafitra tsy mahasoa ny vahoaka intsony, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison! Nampiseho indray ny raharaha “TVM “ fa mbola marefo ny andrim-panjakàna eto Madagasikara, hoy izy. Raha lalàna nolanian’ny Antenimieram-pirenena no ajanona na ahantona tampoka noho ny tsindry sy ny fanoheran’ny vahoaka dia miteraka fanontaniana lehibe momba ny kalitaon’ny fandinihana sy ny fahamatoran’ny fanapahan-kevitra izany. Tokony ho toerana hiarovana ny tombontsoam-bahoaka sy hanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka ny Antenimieram-pirenena. Matetika nefa dia hita fa maro amin’ireo lalàna lany no tsy voadinika lalina ka ny sasany amin’ireo depiote aza no toa mahita ny votoatiny aorian’ny fankatoavana azy. Ny vokatr’izany dia fitotongan’ny fitokisan’ny olompirenena ny andrim-panjakàna. Tsy ampy ny fananana lalàna tsara soratra raha tsy hajaina sy ampiharina amim-pahamatorana. Mila averina ny hasin’ny andrim-panjakana, hamafisina ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra ary atao laharam-pahamehana ny tombontsoan’ny vahoaka fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy. Raha tsy misy fanavaozana lalina amin’ny fomba fitantanana sy fanaovana politika dia hitohy ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka ary hihalalina ny elanelana misy eo amin’ny mpitondra sy ny olompirenena. Soa ihany fa ho avy ny fikaonandoham-pirenena. Enga anie izy io mba tsy ho sehatra fifampiresahana fotsiny fa ho tena fotoana hametrahana fanavaozana lalina sy fanarenana ny firenena. Mila fiovana amin’ny fomba fanaovana politika isika mba hanorenana andrim-panjakana matanjaka, tompon’andraikitra ary tena manompo ny vahoaka. Ny hoavin’i Madagasikara dia miankina amin’ny fahavononantsika hanitsy izay tsy nety sy hanorina rafitra mendrika ny taranaka ankehitriny sy ny taranaka hoavy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-juin-2026

eto raha te ho firenena vanona isika!»

Card image cap
12-juin-2026

hibaiko ny tsy mahay eto amin’ny firenena!»

Card image cap