Maro be ny vina ho kasaina mikasika ny fotodrafitrasa eto Ambohibao Antehiroka, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Toky Harilanto Andrianarivelo. Eo am-panatanterahana izany, hoy izy, izao ny kaominina. Ankehitriny dia amboarina ny kaominina vaovao ary eo amin’ny fametrahana ny tafon’izany ankehitriny. Tamim-pinoana no nanamboarana an’io kaominina vaovao io ary saika fanomezana na «don» avy amina orinasa sy olon-tsotra. Ezahana ny hamarana ity fotodrafitrasa ity amin’ny taona hoavy. Ezahana, etsy ankilan’izay, ny hijery ihany koa ireo lalan-kely isak’ireo fokontany miisa 9 eto amin’ny kaominina, izay ahitàna mponina miisa 96.000 eo. Efa niaraha-nanapaka tamin’ireo mpanolontsaina ny tetibola hanamboarana ireo lalan-kely ireo. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa amin’ny fanamboarana ireo lalana eto amin’ny kaominina izay tena ezahan’ny kaominina hifandraisana amin’ny olompirenena rehetra mihitsy satria hanangana Antehiroka vaovao no tanjona, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija