airtel

Politique

23-nov-2026

Fikaonandoham

-pirenena Kristianina

Sample post image

Napetraka ny tolo-dalàna

23-nov-2026

fampandraisana anjara mavitrika ny fiangonana
Ny novambra 2025 no nanaovana ny Fikaonandoham-pirenena Kristianina na FPK voalohany, hoy ny fampahatsiahivan’ireo nitarika izany tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny sabotsy teo. Napetraka tao anatin’izany, hoy ny fanazavàna, ny fampandraisana anjara mavitrika ny fiangonana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Izay no nitondra tamin’ny fanolorana volavolan-dalàna fandrafetana izay anjara biriky mavitrika izay. N fiangonana Kristianina sy antokom-pivavahana rehetra ary fikambanana Kristianina rehetra no nizaràna izany tolo-dalàna natolotra teny anivon’ny antenimieram-pirenena ny 20 novambra 2026 izany tamin’ity sabotsy ity. Efa nisy ihany didihitsivolana ny taona 1962, nitondra ny laharana 117, izay mamariparitra an’izay saingy tsy mamaritra mazava tsara ilay tena andraikitra dia ity tolo-dalàna ity izany no entina hanavaozana an’izay sy hanamafisana ny fahalalahana ara-pivavahana voalohany indrindra. Mamaritra koa ny tokony ho anjara birikin’ny fikambanana ara-pivavahana, na fiangonana io na inona eo anivon’ny fiarahamonina, toekarena, fampandrosoana maharitra ny resaka tontolo iainana. Efa lany andro sady tsy ahafahana miasa, ny lalàna tamin’ny 1962. Tsy mitovy ny zon’ny rehetra ao. Ny fikambanana ara-pivavahana aza tsy manana zo hanana tany. Ny lalàna 60-133 nefa mamela olon-tsotra na miisa 5 aza dia afaka manangana fikambanana fa ny fikambanana ara-pivavahana dia hoe olona 100, feno taona ny mpikambana ao vao afaka manangana an’izay no sady tsy mahazo zo hanana tany. Tsy voalaza tamin’io hitsivolana teo aloha io koa hoe inona avy ny sehatra azony idirana fa amin’ity dia nofaritana mazava tsara ao mihitsy hoe fanabeazana, fahasalamàna, fiarovana tontolo iainana. Ny lafiny ara-toekarena moa dia mametraka ny hoe any anaty fikambanana ara-pivavahana dia misy mpandraharaha, maherin’ny antsasa-manilan’ny vahoaka malagasy any anaty fiangonana Kristianina. Eo koa ny fandraisana anjara amin’ny fandoavan-ketra araka ny famaritana ao amin’ny Baiboly. Eo ny fampiroboroboana fitantanana anaty mangarahara. Tsy misy idiran’ny politika mihitsy ity tolo-dalàna mikasika ny fikambanana ara-pivavahana na «régime de culte» ity. Voafaritra tsara ao amin’ny andininy faha 3 hatramin’ny faha 5 hoe tsy mahazo manao politika ny fikambanana ara-pivavahana. Fampandrosoana fiarahamonina izany no ataony, raha ny fanazavàn’ny Mpitandrina Camille Ratsimbazafy, avy amin’ny Fiombonan’ireo fiangonana ara-pilazantsara malagasy, hatrany. Tsiahivina fa ny lohahevitra noraisina tamin’ny taon-dasa raha nanomboka ity FPK ity, hoy Rabenifara Désiré, filànkevi-pitondràna ny fikambanana Mampiely Baiboly malagasy, dia ny hoe «Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara!». Rehefa mety ho Kristianina, hoy izy, dia nantsoina hifampidinika tao ary napetraka ny fanontaniana hoe «Inona marina no zava-misy eto amin’ny firenena, amin’ny sehatra rehetra?». Inona no tokony ataon’ny Kristianina? Izany no loharanon’ireo tolo-dalàna samihafa ankehitriny fa eo koa ny mbola ho tohiny amin’ny sehatra maro, hoy hatrany ny fanazavàna voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-nov-2026

hanangana Antehiroka vaovao no tanjona»

Card image cap
20-nov-2026

fikaonandoham-pirenena,

Card image cap
20-nov-2026

aza ny fotoana handaminana

Card image cap