airtel

Politique

24-nov-2026

Mafanafana

indray ao Tsimbazaza

Sample post image

Mamofona fanonganana birao maharitra...

24-nov-2026

Mitombo ny resabe eny anivon’ny Antenimierampirenena momba ny mety hisian’ny fanovana eo anivon’ny birao maharitra. Araka ny vaovao notaterin’ny haino aman-jery, misy ny hetsika tarihin’ireo solombavambahoaka sasany mikendry ny hanala ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, ary mpikambana hafa ao anatin’ny birao maharitra amin’ny alalan’ny « motion de destitution ». Voalaza hatry ny omaly hariva fa hisy fivoriana hataon’ny birao maharitra hahafahana mandinika sy mampiditra io « motion » io ao anatin’ny fandaharam-potoam-pivoriana. Rehefa tafiditra amin’ny lahadinika izany dia hapetraka hodinihin’ireo solombavambahoaka rehetra mba handraisana fanapahan-kevitra. Araka ny fepetra mifehy ny Antenimierampirenena, tsy maintsy mahazo ny fanohanan’ny roa ampahatelon’ireo solombavambahoaka mpikambana ny « motion » vao afaka ankatoavina. Midika izany fa farafahakeliny 109 amin’ireo solombavambahoaka 163 no tsy maintsy mifidy manohana ny fanesorana ireo tomponandraikitra voakasik’izany. Mbola andrasana araka izany ny tohiny sy ny fanapahan-kevitra horaisin’ireo depiote satria nafanafana tao Tsimbazaza omaly, izay nisy ny fivoriana mikaton-trano. Tsy vao izao moa no nandeha ity feo mikasika ny mety hisiana fikitihana birao maharitra ity, saingy nangina na nampaninginina, saingy io nanomboka nirehitra omaly io. Tsy hay ihany koa anefa izay mety fiovan-javatra mety ho fifandaminana na fifandroritana, fa raha ny resaka mivoaka dia misy mpikamban’ny birao maharitra 3 eo no tena re fa mety hovaina sy tian’ireo depiote hotrongisina. Anio no hamaritra ny tohiny… fa mbola nafana sy tsy mbola nisy filazam-baovao ofisialy hatramin’ny ora nanoratanay !
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-nov-2026

hanangana Antehiroka vaovao no tanjona»

Card image cap
23-nov-2026

Napetraka ny tolo-dalàna

Card image cap