Misy lalàna ny fivoahana sy fidirana eto amin’ity tanin’ny repoblikan’i Madagasikara ity, hoy ny antoko politika Otrikafo, omaly. Manamporofo nefa, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny, ny tranga teny Tsarasaotra fa mbola baranahiny ny ranomasina sy habakabantsika. Fantatra na tsy resahina aza hoe betsaka ireo teratany vahiny mivezivezy sy miditra an-tsokosoko eto, hoy izy. Ny mahavariana nefa dia ny hoe matoa izany rehetra izany tafiditra eto dia misy tomponandraiki-panjakàna miray tsikombakomba ao. Tokony ho mafy ny fandraisan’andraikitry ny fitondràm-panjakàna manoloana ny zava-misy. Vao tsy mafy ny fandraisan’andraikitra dia ho lasa ataon’ny olona fanao izao. Misy lalàna eto fa ny fampiharana azy izany no tsy nisy matoa nitranga izao. Manamarika ny fiverenan’ny fahaleovantena isika izao. Hatreto dia ny fananana sainam-pirenena, vola, hiram-pirenena no hany manamarina izany. Rehefa tena jerentsika nefa dia mbola ny vahiny no tena mahazo vahana. Mbola mibahana ny politika, sosialy, toakarena ireo. Misy ampahany amin’ny tanintsika no mbola ambany vahohon’ny vahiny tahakan’ny frantsay, ohatra. Isan’izany izao ireo nosy malagasy, izay antsoin-drizareo hoe nosy manodidina na «Iles éparses». Mila hamafisina ny fitakiana ireo nosy manodidina. Nahazo masoivoho hiasa any Etazonia izao isika fa ny mahagaga nefa dia rehefa misy fivoriamben’ny firenena mikambana isan-taona dia Madagasikara indray no lasa ampahatsiahivina hoe mbola misy dosie tahaka an’izao tokony mbola takiana sy hiadiana mikasika an’io nosy malagasy io. Tokony hamafisina ireny satria isan’ny manamarika ny fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija