izao raha araka ny fanehoan-kevitry ny mpahay toe-karena Pr Ralison Roger. Ny asa kely mba nisy aza mantsy raha ny nambarany dia efa miharava toy ny fandefasan’ireo orinasa sasany ny mpiasa ao aminy mankany amin’ny chomage technique vokatry ny tsy fahatapahan-jiro tsy miato. Ho an’ireo manao asa tenany indray dia nambarany fa maro tamin’ireo mpanao volo, mpanao soudure, mpivarotra trondron-dranomasina no efa nanakatona ny tsenany vokatry ny fatiantoka mihoampampana mahazo azy. Tsy nanome vahaolana momba izay olan’ny jiro sy rano eto amintsika izay intsony araka izany ity mpahay toe-karena iray ity. Efa ela izahay no nandroso soso-kevitra hoy izy saingy tsy nisy mpihaino. Avelao hozakain’ny mpitondra irery ny olany hoy izy amin’izay koa izy ireo hahatsapa tena tsara fa tsy vitany irery ny mampandroso ity firenena ity. Notsiahivin-dRalison Roger moa fa efa nisy ny tetikasa tsara nokarakarain’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina mikasika ny olana momba ny jiro eto amintsika ary tokony niodina nanomboka tamin’ity taona 2024 ity izany saingy tsy noraharahian’izao fitondrana mijoro izao.
Pati
Legende : Ralison Roger, anisan’ireo mpahay toe-karena eto amintsika !
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny