endriny maro, na mety mihevitra aza ny Fitondrana Rajoelina fa mbola voafehy ny toe-draharaha, mbola mahomby ny fampiasana ny herin’ny vola sy ny herin’ny basy. Betsaka ireo toe-javatra efa maneho ankolaka ny fahatezeram-bahoaka, raha tsy hilaza afatsy ireny fidinanana an-dalambe manodoro kodiarana ireny. Ny lonilony politika ezahana atsefotra na sarontsaronana amin’ny fanodinkodinan-dresaka na « diversion »,… Nisy karazana tsapan-kevitra na «sondage » nataon’ny tranonkala www.koolsaina.com izay nametra-panontaniana hoe hahavita taom-piasana ve i Andry Rajoelina sa tsia, ka ny valiny tao anatin’izay dia namoaka fa 63% milaza fa hiongana mialohan’ny fotoana ny Filoha ankehitriny, ny 23% nilaza fa hahavita ny taom-piasany hatramin’ny farany, ary ny 14% nilaza fa tena tsy hainy izay mety hitranga. Ekena fa tsy mahasolo tena ny vahoaka rehetra, saingy misy lanjany sy dikany ara-politika, ary azo antoka 100% fa na rahampitso dia rahampitso aza ny mpitondra no manaiky hoe : sokafana ary ny 13 mey sy ny mitovy aminy ary havela malalaka ny olona tsy mankasitraka fitondrana, dia tsy atonona. Ny Fanjakana no miezaka mivoy sy milaza fa mbola mamim-bahoaka, saingy ny sary mitranga dia maneho fa tsy maharo ny fitondrana ny ambara fa asa vitany, ny fampandrosoana lazainy fa nataony, ny zavatra tokanany, ny mbola ampanantenainy,… hany ka matahotra mafy hatrany izy sao hisy hanongana. Atao ny fomba rehetra hangejana sy hifehezana ireo mpanao politika sy antoko samihafa hany ka fanateram-boninkazo aza hanaovana tsara ambina ny kianjan’ny 13 mey, ny fanagadrana sy fanamelohana ahiana ho misy ambadika politika,… Efa betsaka ny endrika fipoahana izay misy aza ny avy ao anatiny no mifamely, toy ireny fivoahan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy nanao ampamoaka sy sahy mitandroka ny mpandraharaha mpanefoefo akaiky ny Fitondrana fa tsy mikitika ny Filoha ankehitriny. Ny adihevitra mikasika ny toeran’ny Praiminisitra mbola krizy mafana niainga 2018, ka iny niditra an-tsehatra iny ny Filohan’ny Antenimierampirenena Atoa Tokely Justin izay mitsipaka ny mety ho fisiana fitsipaham-pitokisana ka nilazana tsy ho loharanon’ny korontana sy krizy ny Antenimierampirenena.
HIKETRIKA GOVERNEMANTAN’NY FIRAISAM-PIRENENA ?
Betsaka no mpandinika sy mpamakafaka eny fa na ny olom-pirenena tsotra aza no milaza fa ho henjana noho ny tamin’ny 2009 ny fipoahana raha tsy mitandrina sy tsy manaja tena ka hisafidy hivoaka amin’ny varavaran-dehibe i Andry Rajoelina. Betsaka rahateo ireo fahasosorana niotrika teto na ara-politika na ara-toekarena niainga 2009, saingy nezahina nofehezina tamin’ny basy sy filalaovana ireo rafitra samihafa toy ny Fitsarana, ny tafika, ny HCC, ny CENI,… Maro ireo fahotana mahafaty nataon’ny Fitondrana Rajoelina saingy niniana nosaronana, ary toa nahomby avokoa ny kajikajy sy amboletra samihafa, saingy mipetraka ho vanja milevina ho an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Mbola ho zava-doza raha mitetika ny hanao kajikajy hanao taom-piasana fahatelo amin’ny fikitihana lalàmpanorenana i Andry Rajoelina fa manapitra hatramin’ny 2028 raha ela indrindra, hoy ny mpandinika. Na ny mpanohana ny Fitondrana toa an’i Minisitra teo aloha Paul Rabary aza nitsotra omaly raha nivahiny tao amin’ny Top Radio fa taom-piasana 2 ihany aloha no voafaritry ny lalàmpanorenana. Nitandrina nanoloana ny hoe : hahatratra 2028 sa tsy ny Filoha ankehitriny ? Miankina amin’ny fahendren’i Andry Rajoelina no mety hampilamina na hampikorontana ny Firenena. Manoloana ny toe-draharaha ankehitriny sy ny ambana samihafa, misy siosion-dresaka mivoaka amin’ny mety hananganana governemantan’ny Firaisam-pirenena. Tsy azo hamaivanina io na marina na diso, fa kosa stratejika be amin’ny politika. Nisy fivoriana politika niafina tamina toerana roa teto Antananarivo nandinihana ny fananganana "Gouvernement d'Union Nationale"? Rehefa mafana ny raharaha dia hisy ampahana mpanao politika avy amin’ny mpanohitra izay hita fa hanahirana ny fitondrana mba ampidirina amin'ny governemanta mba hiaraha-mitantana sy hampikombonana ny vavany raha ho tonga amin’io. Raha hisy an’izay tokoa, dia mbola ho endrika maneho fa marefo ny Fitondrana, ka miketrika sarintsarim-pisokafana. Dia asa izay hiafarany fa ny Filoha Tsiranana aza lany 90% mahery tamin’ny faran’ny taona 1971 fa niongana ny mey 1972 ka asa izay hiafaran’ity fitondrana mihevitra ny tsy ho maty manota sy tsy ho tratry ny aloka mandrakizay ity ?
Toky R
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy