airtel

Politique

28-mai-2025

Masoivohon’i Frantsa nitsidika an’i Morondava

Jerena izay azo hiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana…

Sample post image

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

28-mai-2025

Masoivohon’ny Repoblika Frantsay monina sy miasa eto Madagasikara Arnaud Guillois, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Tonga nanotrona azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Morondava ireo manam-pahefana avy amin’ny Faritra Menabe, ka ny Talen’ny Kabinetra no nisolo tena ny Governoran’ny Faritra nandritra ny lanonam-pitsenana. Tao anatin’ity fitsidihana ity no nanatanterahana dinika niarahana tamin’ny solontenan’ny fitondrana sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra amin’ny sehatra manampy amin’ny fampandrosoana ny Distrikan’i Morondava. Nisongadina tamin’ny fandaharam-potoanany ihany koa ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa manabe toy ny sekoly sy ny tranomboky ao amin’ny Alliance Française Morondava, izay anisan’ny sehatra iaraha-miasa amin’ny fanamafisana ny kolontsaina sy ny fahaiza-miteny amin’ny teny frantsay eto an-toerana.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)
 

Dans la même rubrique

11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap
11-juin-2025

Miainga eny ifotony ny fampandrosoana hoy Andriamanantena Seraphin,

Card image cap
11-juin-2025

Pastera Heritiana Tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy intsony

Card image cap