airtel

Politique

19-oct-2022

Politique

Christine Razanamahasoa Sady mampiditra no mamoaka

Sample post image

Ankoatra ireo tatitra samihafa momba ny asan’ny antenimiera, niresaka fiainam-pirenena ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa.

19-oct-2022

Nomarihiny fa mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, saingy tsy any amin’ny tsy fahafezan’ny fanjakana izany no zoro nitondrany azy fa hoe: ahiana ny fisian’ny finiavana hamboly korontana ao ambadika. Nambarany fa mila hamafisina ny rafitra sy ny tetibola entina miatrika ny doro ala sesilany. Momba ny ampamoaka maro, izay matetika mahasaringotra olona ambony. “Fotoana izao tokony hanolorana lalàna mikasika ireo mpisintona lakolosy na «lanceur d’alerte », tahaka izany ihany koa ny “compte fake” satria lasa mibahan-toerana ny gaboraraka, tsy ahafahantarana ny marina sy ny tsy marina, lasa fanosoram-potaka,… “, hoy izy. Nomarihiny kosa fa tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ny raharaha Ikongo, ary manantena fitoniana, manaraka akaiky sy miandry ny tohin’ny fanadihadiana, misy ihany koa ny fangatahana fanadihadiana parlemantera izay hodinihina. Momba ireo afera mahasaringotra depiote, afak’omaly nilaza fa betsaka ny maloto saingy ny an’ny solombambahoaka no ezahina haharihary, izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy, tsy anjely ny depiote, izay tsy mety harenina,… Omaly indray, “valalanina mahita ny fampahalalam-baovao etsy sy eroa, amin’ny tambazotran-tserasera, misy solombavambahoaka manao an’izao sy izao, manentana sy mampahatsiaro ny solombambahoaka fa ireo no mpanao lalàna ka tokony ho filamatra amin’ny fanarahan-dalàna, ka tsy hitsabaka amin’ny fahefana tsy nomena antsika. Ny “immunité parlementaire” dia natao ho fiarovana amin’ny fanehoan-kevitra ara-demokratika sy hanamorana ny asa, fa tsy hialokalofana amin’ny fanaparam-pahefana sy hanafenana ny ratsy izay atao…”, hoy izy. Niantso fisaraham-pahefana tsy hisian’ny fifampitsabahan’ny mpanatanteraka sy mpanao lalàna ary mpitsara, fa indrindra ny fanaparam-pahefana sy fisandohan’andraikitra. Toa namely ankolaka ireo depiote tahaka an-dry Lanto Rakotomanga, Mohamad Amad,… izay voatonontonona amin’ny fanaparam-pahefana sy afera maloto, na naneho aza fa tsy azo ekena ny fanendrikendrehana tsy misy porofo. Hisy fandraisana andraikitra toy ny fanesorana ny “immunité parlementaire” ary ve ahafahan’ny fanadihadiana sy ny famotorana handeha hivoahan’ny tena marina ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap