airtel

Politique

06-mars-2024

Dany Rakotoson

«Difotry ny zava-misy ny fitondrana»

Sample post image

Misy rafitra iraisampirenena ao milaza hoe mankaiza izao ny firenena,

06-mars-2024

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson? Rehefa tsy ain’ny fitondram-panjakana moa ny mamoaka ireny atao hoe «indicateur» ireny dia lasa ny fiarahamonina no mamoaka azy, hoy izy. Misy biby, hono, mihinana fiompiana ary ananona na mihinana biby fiompy ary. «Indicateur» ireny ara-tsosialy ary lasa ny fiarahamonina tokoa moa no lasa mamoaka azy raha tokony ho ny fitondram-panjakana no manome fanazavana hoe efa nidina tany ny mpanao fitsirihana siantifika, ohatra, na mpitandro filaminana na tsy aiko dia izao sy izao no fepetra noraisina. Ny olan’ny fanolanana izany izao tsy vao izao. Mamoaka iny lalàna iny ny fitondram-panjakana saingy ilay fiarahamonina mihitsy avy eo no tsy miandry izany intsony fa tonga dia mamono na mamoaka zavatra any amin’ny tambazotran-tserasera, izay tena zava-doza satria mbola tsy nisy fitsarana nilaza akory hoe tena meloka ilay olona. Lalàna aty amin’ny firenena demokratika nefa dia ny fitsarana no natao hamoaka lalàna fa tsy ny fitsaram-bahoaka akory. Difotry ny zava-misy ankehitriny ny fitondrana. Tsy voafehiny ny zava-misy eto amin’ny firenena na ara-toekarena io na sosialy na politika na tontolo iainana. Rehefa tsy manana ny fotokevitra ijoroany ny antoko na vondron’olona iray dia izay loko mitana fitondrana eo no hironan’izao vondrombondrona rehetra izao. Rehefa raikitra ny fitadiavan-tseza dia miady hoe izahay anie no nanohana anao na izahay no nanao an’izao! Nanao fomba fiasa ny fitondram-panjakana izao hoe sady tsy naka tatsy no naka taroa fa nanao ohatran’ny fanaona orinasa. Naka CV! Nijery sy niainga tamina fahaizana fa tsy fahaiza-manao na ideolojia. Ny ankabeazan’ny olona ao anefa tsy miaina amina ideolojia hoe mifototra amin’ny toekarena ve sa sosialy sa tontolo iainana fa dia hoe io loko io izao no eo na TGV dia andao isika hanao TGV na manodidididina TGV. Ilay fitondrana nefa izany ny stratejiany kay hoe andao isika tsy hiantehitra amin’ireto manodidina antsika ireto raha tena te hanova ny firenena fa andao hanao politika antsika manokana dia io toy ny mitantana orinasa io no hitany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap