Ny tsy fanajàna hatrany ny fifanarahana tany am-piandohana no tena olana eto amin’ity firenena ity, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena, Dany Rakotoson. Tsy tokony nandalo tamin’ireny fanonganana birao maharitry ny antenimieram-pirenena ireny ny firenena, hoy izy, raha tena manao fanavaozana marina sy nametraka ilay tena fikaonandoham-pirenena. Apetraka mazava ny tanjona hoe toy izao no hanintsiana ny lalàmpanorenana, mazava tsara daholo hoe toy izao ny malagasy tokony ho hita afaka 5, 10, 20, 50 taona. Rehefa mbola ny tombontsoantsika tsirairay avy no maha variana antsika ny mitady azy dia hiverina ilay politika fahita hatramin’izay toy ireny fifanaratsiana na «diabolisation» ireny. Toy izany koa ireny karazana fandrebirebena saim-bahoaka na « diversion» samihafa ireny. Ny delestazy sy rano tapaka moa dia hita eny foana. Mbola tsy mahita isika hoe niha tsara ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy satria tsy najaina ny fifanarahana hatrany am-boalohany dia ilay hoe hanao fikaonandoham-pirenena maharitra hamaritra izay tiantsika hahatongavana afaka 5, 10, 20, 50 taona izay. Rehefa hajaina ny nifanarahana dia hoavy ny fanavaozana. Taloha isika voafehy hoe tsy maintsy ny sitrapon’izay nitondra teo no arahana. Ny anio tsy izay loatra satria na ny olona nantsoina hoe minisitra sy ny tahaka izany aza azo lazaina hoe niainga tamina hery isan-karazany. Tsy nanana foto-kevitra niraisana ireo fa dia hoe andao fotsiny isika hiaraka hanatsara zavatra. Ny ankabeazan’ny asan’ny teo aloha izay tsy navela ho atao no notohizan’ireo minisitra isan-karazany taty aoriana. Lasa tombony ho an-dry zareo noho izany ilay tetikasa satria efa niomanana fa tsy navela ho atao nandritry ny taona maro. Mbola tsy nampihainga ny harinkarena malagasy nefa izany fanohizan’asa izany. Rehefa tsy natao ny fikaonandoham-pirenena dia lasa manjaka ny fandotoana samihafa ary ireo solombavambahoaka ao ireo dia olon’ny fitondràna teo aloha daholo ny ankamaroany no nivadika palitao fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija