Nitsimbadika ny rasa ! Nandeha ny daka tsy hita maso ara-politika tao Tsimbazaza! Niongana tsy ho Filohan’ny Antenimierampirenena na ny PAN i Siteny Randrianasoloniaiko 13 volana taorian’ny nifidianana azy, rehefa niongana ny Fanjakana Rajoelina, ka niova ny sary tao Tsimbazaza, ary niongana ny PAN tamin’izany Tokely Justin. Nafana ny adihevitra sy ny fivoriana nikaton-trano ny takariva sy ny alin’ny alatsinainy teo. Depiote 112 tamin'ireo tamin'ireo 149 tonga nandatsa-bato no nanaiky ny fanalana ny PAN Siteny RANDRIANASOLONIAIKO sy mpikambana ao amin'ny birao maharitra miisa 3, dia ny filoha lefitra voafidy tao amin'ny faritanin' Antsiranana Ibrahim Isa (117), ny filoha lefitra voafidy tao Mahajanga Afakandro Christian (119) ary ny Kestora faha-3 Mamihaja Charlot (117). Omaly tamin'ny 3 ora maraina moa no vita ny fanisam-bato tamin'ny latsa-bato miafina nanalana ireto mpikambana 4. Vesatra maromaro no niampangana azy ireo, toy ny filazana fa fisiana fitantanana tsy mahomby. Ho an’i Siteny Randrianasoloniaiko, anisan’ny antony lehibe niampangana azy ny fampivangongoana ny fahefana eo am-pelatanany sy ny tsy fisian’ny fizarana andraikitra mazava. Voalaza ihany koa fa nanendry depiote hitantana vaomiera iray tsy nisy fifidianana izy, ary nanaisotra volavolan-dalàna efa tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Antenimiera, tsy nakan-kevitra tamin’ireo mpikambana hafa tao amin’ny birao maharitra. Nilaza ny depiote Jhonny Rakotoarisoa, mpitantsoratra faharoa, fa voampanga ho tsy nahavita niantoka ny filaminana sy ny fitantanana araka ny tokony ho izy ny andrim-panjakana ireo filoha lefitra. Nambara fa niteraka disadisa teo amin’ireo depiote ny fihetsik’izy ireo. Ho an’i Charlot Mamihaja kosa, ny tsy fanolorana tatitra momba ny iraka notanterahiny sy ny tsy fahatongavany matetika eny Tsimbazaza no isan’ny antony nentina nanonganana azy. Nilaza ny depioten’i Betroka, Nicolas Randrianasolo, fa nisy fizarana vola tao amin'ny Antenimierampirenena afak’omaly alina, mba hanoherana ny fanonganana ny Filohan'io Andrimpanjakana io, ka nilazany fa raha ny vola nikoriana dia tsy tokony ho ireny ny vokatry ny fifidianana. Ny depiote ihany izany no manamafy, fa mbola mitoetra ny resaka malety…
IZA NO HO PAN MANARAKA ? INONA NY SARY POLITIKA HITRANGA ?
Nilaza i Siteny Randrianasoloniaiko fa tena fa gaga tamin’ny fiampangana azy ho nanao fahadisoana goavana, saingy nambarany fa raisiny amim-panetren-tena izany. Naneho fa tena nitolona sy nievoka lakrimoezenina, ary tena nikatsaka ny tombotsoan’ny andrim-panjakana notantaniny. « Anisan’ny sempotry ny entona mandatsa-dranomaso ny tenako nandritra ny tolona. Nitolona aho mba hamerenana ity andrim-panjakana ity, ary vavolombelon’izany ianareo Solombavambahoaka namana. Harovako tahaka ny anakandriamasoko ny Fitondrana Fanavaozana.», hoy ity farany. Nilaza kosa i Charlot Mamihaja fa tsy nanana antontan-kevitra ampy hanomanana ny tatitra. Ho an’i Christian Afakandro, antony politika no ao ambadiky ny fanonganana azy, raha nanontany kosa i Charles Issa Ibrahim ny amin’ny halehiben’ny hadisoana anamelohana azy. Andrasana izany izay sary politika mety hitranga ao Tsimbazaza taorian’ity fionganana ity. Saika ireo Pro-Siteny avokoa no niongotra. Ny Pro-Siteny sy ny TIM andaniny dia efa ela no vaky ihany koa ilay Vovonana niraisana dia ny « Firaisankina ». Andaniny, mazava ho azy fa ny VFM (Vovonana ho an’ny Fanavaozana an’i Madagasikara) no mitondra ny baolina ao Tsimbazaza. Asa iza no ho PAN manaraka ? Ho iray amin’ireo mpikamban’ny Birao maharitra dia ny Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa sady Filohan’ny VFM Andrianjanahary Fanomezantsoa, ny Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Toamasina Fidèle Razarapiera, Kestora voalohany Rina Randriamasinoro, ny mpitan-tsoratra faharoa Johny Rakotoarisoa, ny Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Toliara Marco Tsaradia ? Asa inona no ho tohin’ity fiovana sy ny lanjany ara-politika eto amin’ny Firenena ?
Toky R