Tokony hanao fikaonandoham-pirenena ny fitondràm-panjakàna ankehitriny, raha ny fifampiresahana teny an-kianja nanomboka tamin’ireny tolona nosantarina ny 25 septambra 2025 ireny, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Izany hoe hametraka tsara hoe firenena tokony ahoana na malagasy tokony ahoana no eto afaka 5, 10, 20, 30, 50 taona, hoy izy? Anaty fikaonandoham-pirenena no ahitàna an’izay satria ho dinihina ao daholo ny hoe inona ny politika diplaomatikantsika, politikan’ny indostria, politikan’ny asa, politikan’ny fahasalamàna, politikan’ny fandriampahalemana, politika momba ny tontolo iainana, politika momba ny fifidianana sy ny rehetra? Tsy olom-boafidy fa notendrena hametraka an’izay zavatra izay ny fitondràna amin’izao. Izay no andraikitra napetraky ny HCC taminy ihany koa mba tsy hiverimberenan’ny krizy eto amin’ny firenena fa mba hizorany any amin’ny fandrosoana amin’izay. Tsy izay nefa no nitranga fa fampandehanan-draharaha hatreto no nataon’ilay fitondràna mijoro dia nanatsara kokoa ny vitan’ny teo aloha. Lasa nanao propagandin’ny tenany indray. Tsy nametraka an’ilay hoe inona no politika sy stratejia tsara hanatsaràna ilay fiainam-pirenena? Raha tonga amin’izao fotoana izao ny resaka tsy fandriampahalemana na «déstabilisation» dia satria tsy novalianao ilay stratejia marina na politika tokony hametrahana an’i Madagasikara amin’ny toerana sahaza azy. Raha voavaly nefa izay dia na ireo mpanohitra ireo aza tsy hahita ho lazaina fa hahita hoe hitondra any amin’ny fifidianana eken’ny rehetra izany lalana izany. Any amin’ny fampandaniana ny filohan’ny fanavaozana ho filoham-pirenena izao lalana izao. Efa niainantsika daholo ireny hoe anaty tetezamita dia misy miteny hoe tokony hilatsaka filoha ianao. Tsy namaha olana isika matoa tonga amin’izany. Maninona moa izany no tsy atao ohatran’ny nataon’ny hafa hatramin’izay ihany hoe filohan’ny tetezamita dia lasa filoham-pirenena avy eo dia avy eo hiongana indray afaka 7 taona? Hitsaoka any ivelany indray izay tokony hitsaoka dia ato anatiny ato ihany izay ato. Ilay rafitra misy eto mihitsy no efa iaraha-mahalala tsinona fa misy olana. Ny fametrahana amin’ny laoniny ny fikaonandoham-pirenena ihany no vahaolana. Tsy maninona io fikaonandoha io na 6 taona aza vao vita. Mila vahana tsirairay mihitsy, ohatra, ny hoe inona no stratejia diplaomatika iainan’i Madagasikara anaty 5 taona, 10 taona? Tombontsoa amin’izao ny fisian’ny tekinolojia. Tsy manana stratejia diplaomatika isika izao dia tsy sahy mametraka fiaraha-miasa matotra ny olona. Izay no ilàna fifampidinihana anaty fikaonandoha. Ohatran’izay koa ny resaka fananan-tany. Io resaka fihavanana io izao tsara fa ny zava-miseho dia ireo mpanao politika ratsy saina no manararaotra azy ho fanambakàna fiarahamonina fotsiny. Na ny mpiray tampoho aza izao misy hoe mandefa vola ny havana avy any an-dafy hanamboarana trano dia ilay trano tsy vita nefa ilay vola lany. Izay ve no fihavanana, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
Nifarana ny fitsidihana ofisialy