airtel

Politique

10-juin-2024

Depiote Masy Goulamaly

Takian’ny Amnesty International havoaka tsy misy fepetra

Sample post image

Niditra an-tsehatra manoloana ny raharaha fisamborana sy fitazonana amin’ny alalan’ny

10-juin-2024

fanaovana andrimaso ny depioten’i Tsihombe Rtoa Masy Goulamaly ny Amnesty International. Milaza io sehatra iraisam-pirenena io, fa notazonina tamin'ny fomba tsy ara-dalána raha avy nanambara ny tsy fahatomombanan'ny fifidianana izy. Ity farany izay tsiahivina, fa natao andrimaso nanomboka ny 01 jona ampitson’ny fisamborana azy rehefa voarohirohy ho tao ambadiky ny raharaha fahamaizan’ny Biraon’ny CENI tao Tsihombe. « Tokony hamoaka avy hatrany ary tsy misy fepetra ny solombavambahoaka Masy Goulamaly ireo manam-pahefana, raha nosamborina tamin'ny tsy ara-drariny ary voampanga ho nandamina hetsi-panoherana taorian'ny fitarainana ofisialy nataony momba ny Fahamarinan'ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny volana lasa izy io », hoy ny Amnesty International ny faran’ny herinandro teo. "Tsy mitombina ny fitazoman'ireo manam-pahefana Malagasy an'i solombavambahoaka Marie Jeanne d'Arc Masy Goulamaly noho ny fitarainana nataony momba ny fahamarinan'ny fifidianana solombavambahoaka any amin'ny distrika misy azy », hoy i Tigere Chagutah, talem- paritry ny Amnesty International ho an'ny Afrika Atsinanana sy Atsimo. Nambaran’ny Amnesty International noho izany, fa ny fitazonana azy tsy ara-dalana dia manitsakitsaka ny zon'ny fahalalahana miteny sy mivory. Tokony avosotr'ireo manam-pahefana avy hatrany ary tsy misy fepetra i Marie Jeanne d'Arc Masy Goulamaly satria nosamborina noho ny fampiasany am-pilaminana ny zon'alambelona, hoy hatrany ny fanambarana. Ny 31 Mey teo, na dia tsy nisy didy fikarohana na fisamborana aza, polisy sy zandary Malagasy manodidina ny 50 no naka an-keriny ny Solombavambahoaka tao an-tranony tao amin'ny distrikan'i Tsihombe. Nentiny tany Ambovombe, izay adiny roa miala eo, ary notazonina tao an-tranony amin'ny fomba tsy ara-dalana hatrizay izy, hoy ny fanamafisana.

FITAZONANA POLITIKA, MIFANOHITRA AMIN’NY ZON’OLOMBELONA
Nosokajian’ny Amnesty International ho antony politika no ataon'ny manam-pahefana Malagasy amin'io depiote io. Ireo tetika fanamoretana ireo dia mifanohitra amin'ny adidy ara-zon'olombelona isam-paritra sy iraisam-pirenena an'i Madagasikara, Indrindra momba ny zo hivezivezy malalaka sy hisafidy ny fonenany ao anatin'ny firenena iray, araka ny voalazan'ny Fitsipika Afrikana momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka (Charte africaine des droits de l'homme et des peuples)," hoy i Tigere Chagutah. Voalaza fa nahitana tsy fetezana tao anatin'ny fifidianana izay noraisin'ny mpifidy sasany tao amin'ny distrikan'i Tsihombe an-tsary. Tsy navela hiditra tao amin'ny birao fandatsaham-bato ny delege an'ny kandida miisa telo, raha efatra ireo kandida rehetra, hoy ny fanazavana. Nisy ihany koa ny famelana my sasany hifidy na tsy teo izy ireo, ny fanoratana ankizy tsy ampy taona ho mpifidy, ary ny fandrahonana sy ny fampitahorana. Nidina an-dalambe ny olona roa andro taty aoriana, tamin'ny 31 Mey, tsy ela taorian'ny nametrahan'i Masy Goulamaly sy Vontsoa Christian, izay kandida hafa, fitarainana ofisialy tany amin'ireo tompon'andraikitra, nitaky ny fanadihadiana momba ireo tsy fetezana. Niteraka fandoroana ny tranom-panjakana roa an'ny komisiona mpikarakara fifidianana izany fihetsiketsehana izany. Nialohan’ny Amnesty International dia efa nandefa taratasy tamin’ny Praiminisitra ny Filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana, fa tsy ara-dalàna ny fitazonana. Andrasana ny tohiny !
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap