airtel

Politique

30-août-2022

Politique

Diplaomasia sy politika Manjavozavo ny dia tany Frantsa

Sample post image

Noraisin’ny Filoha Frantsay tany amin’ny Lapan’i Elysée ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina omaly.

30-août-2022

Raha ny tatitra ofisialy, nijerena ireo teboka momba ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa maro hotanterahina ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Fifanakalozana mikasika fahohizana ny dinika efa natao tamin’ny fiandohan’ny fotoam-piasan-dRajoelina, toy ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny ady amin’ny kere any atsimo, ny angovo, ny tontolo iainana,…Ny aogositra 2021 no efa nilaza iMacron fa hanampy sy hanohana feno an’i Madagasikara amin’ny asa fampandrosoana sy ny laharampahamehana nofaritan’ny Filoha Rajoelina. « Manamafy fa vonona ary manome toky hanohana ny « Plan pour l’Emergence » ka hanompana 240 tapitrisa euros amin’ny sehatry ny fambolena, ny fanabezana, ny fanajariana ny tanan-dehibe, ary mitazona izany », hoy i Macron tamin’izany. Tamin’ny taon-dasa teo, naneho ny handraisany anjara amin’ny famatsiana ara-bola ny fitarihan-drano lehibe makany atsimo I Lafrantsa. Mandrak’ity ny androany tsy nisy tohiny ireny, ary toa fampanantenana no betsaka. Ny PEM aza moa amin’ny oktobra vao hampahafantarina, ka mety nanome toky indray ny Frantsay.
ZAVATRA MANJAVOZAVO
Ny resaka fiaraha-miasa no navoitra, fa maro ireo toe-javatra toa mifamahofaho sy manitikitika amin’ny ara-politika sy ny fifandraisan’ny tany roa tonta. Tsy kisendrasendra ny hoe ao anatin’ny toe-draharaha mafampana miseho eto amin’ny firenena no nisian’ny fihaonana. Misy resaka tsy dia mazava, ohatra, ny momba ny Ambasadaoro Frantsay eto izay mandeha ny resaka fa hiova, ka i Arnaud Guillois no anarana mandehandeha. Tsy mbola nisy ny fampahafantarana na fanaovam-beloma nataon’ny Ambasadaoro Christophe Bouchard. Ity farany izay tonga teto ny aogositra 2019. Somary hentitra ny 14 jolay 2022 teo niantso an’I Madagasikara handray toerana mazava mikasika ny ady any Ukraine, ary vao andro vitsy no nilaza ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Richard Andriamandranto fa mitazona ny maha tsy mitanila isika. Ny resaka "Apollo 21" mahasaringotra an’i François Philippe sy Paul Rafanoharana, takian'ny Frantsay ny famotsorana azy ireo. Ny raharaha Îles Éparses voalaza fa hitohy ny dinika saingy misy vokatra azo antenaina ve? Ny Fivoriambe faha-77 ho an'ny Firenena Mikambana any New York ho avy ka ho tafiditra lahadinika io sa hihemotra indray ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap