airtel

Politique

16-janv-2024

Diplaomasia sy politika

Nihaona tamin’ny Filohan’ny « Sénat » ny Ambasadaoro Frantsay

Sample post image

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana an Filohan’ny Antenimierandoholona,

16-janv-2024

Ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard, ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara GUILLOIS Arnaud ny andron’ny omaly alatsinainy 15 janoary 2024. Nifantoka bebe kokoa amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny firahalahiana efa nisy hatramin’izay teo amin’ny Parlemanta roa tonta, dia ny Antenimierandoholona Malagasy sy ny Antenimierandoholona Frantsay ny dinika, hoy ny tatitra. Anisan’ny noresahana ihany koa ny mahakasika ny “Assise de la coopération décentralisée” izay ho tanterahana eto Madagasikara eo ambany fiahian'ny Filohan'ny Antenimierandoholona Frantsay sy ny Filohan'ny Antenimierandoholona Malagasy. Io fihaonambe io dia entina hanamafisana ny traikefa sy hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin'ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana an'ny firenena roa tonta, ka hitsangana tsy ho ela ny vaomiera ara-teknika hanomanana izany, hoy ny vaovaon’ny Antenimierandoholona. Misy dikany sy lanjany lehibe izany eo amin’ny sehatry ny diplaomasia sy ny politika, indrindra fa taorian’ny fahavitan’ny fifidianana teto Madagasikara. I Lafrantsa izay tsy miala lavitra fa eo hatrany manoloana ny toe-draharaha miseho eto Madagasikara, indrindra fa ny politika. Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny no ilazana, fa saika nandalim-pahaizana tany Lafrantsa ny ankamaroan’ireo Minisitra notendrena ho mpikamban’ny governemanta ny alahady lasa teo. Fomba fanao ihany koa moa ny fifampitsidihana amin’ny fiandohan’ny taona tahaka izao, ka sehatra maro samihafa no tsidihin’io Ambasadaoro Frantsay io, raha tsy hilaza afatsy Fikambanana, sekoly,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap