airtel

Politique

15-avril-2024

DISTRIKAN’ANTANANARIVO AVARADRANO

Vonona hampandroso ny faritra misy azy ny Ben’ny tanana

Sample post image

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao

15-avril-2024

isaky ny roa volana ho an'ireo Ben'ny Tanana ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano. Ankoatra ireo tatitra mahakasika ny asa vitan'ny Ben'ny Tanana tsirairay sy ny fanamarihana isan-karazany mahazatra dia noresahina manokana ny mahakasika ny Komity Loharano, ny karnem-pokontany misy "QR Code", ny tetikasan'ny fitondram-panjakana ao amin'ny distrika, ny tsara ho fantatra momba ny fifidianana solombavambahoaka izay hotanterahina ny 29 May ho avy io ary ny "RALE 2024" na ny Fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy. Ny Lehiben'ny Distrika Antananarivo Avaradrano no nitarika ny fivoriana ary nahatonga solontena avokoa ireo rantsa mangaika avy amin'ireo solontem-panjakana sy ny olom-boafidy ary ireo olom-boatendry, ny avy amin'ny mpitandron'ny filaminana, ny fahasalamana ary ny fampianarana. Niarahaba manokana ny Sefo Distrika Ramiandrisoa Mahefandrainibe Haritiana ireo Ben'ny tanana noho izy voatendry hiasa indray eto amin'ny Distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Fanamby napetrak’ireo Ben’ny tanana rehetra moa ny mba hahafahana mampandroso hatrany ny faritra misy azy ho tombontsoan’ny vahoaka eny ifotony.
Pati
Legende : Tsy mitovy loko politika ireto Ben’ny tanana ireo saingy samy vonona ny hampandroso !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap