Izahay aloha no tena lasibatra sy nanohitra hatramin’ny ela ny fitondràna Rajoelina teto ary nizaka ny fahafatesana faharoa na figadràna ka tsy hanome vahana sy lalana ny hiverenany hitondra an'ity Madagasikara ity, hoy ny lehiben’ny faritr’i Boeny, Dr Berija Ravelomanantsoa. Tsapanay, hoy izy, ny habibiana vitany sy ny ekipany sasany ary fampahoriana nataony ny malagasy nandritry ny 16 taona dia aiza isika izao? Ho an'izay tsy voadonany dia mora ny miteny sy mivadika amin’izao fitondrana izao. Ho anareo zandry sy milaza ho ekipa sy namana nilaza ka nitolona teto nanala an'i Rajoelina mitabataba etsy sy eroa io dia tokony ho «Intelligent» na misaina ihany fa lalana sy fanomezana vahana lehibe ho an'i Rajoelina ireo ataonareo ireo. Miverina mitolona indray ianareo fa amin’ity indray mitoraka ity dia mametraka an'i Rajoelina eo amin’ny fitondrana io tabatabanareo io ary tsy ianareo no hitondra eo raha misy ny sampona fa mety hisolo anay any am-ponja aza ianareo fa ny politika dia mila fahatakarana fa tsy atao fitadiavana laza. Misy fetra io laza io. Mitabataba ianareo dia mivoaka dàholo ny "Compte Fake" dia roboka ianareo satria tsy mametraka vina. Lojika raha ataon'ny olona zazakely lava dia tsy hivoatra. Hivereno hianarana sy alalinina ny politika teto Madagasikara sy ny fomba fakàna fitondràna teto hatramin’izay dia ho azonareo ny tiako hambara. Olona raisin'i PRRM Michael Randrianirina isaky ny mihetsika daholo ianareo rehetra ireo fa aza mandainga amin’ny vahoaka! Firenena no resaka eto ary hananako porofo daholo izany. Raha tsy merseneran’i Rajoelina indray ianareo dia miverena lalana. Am-pitiavana! Mora ho an’ny tsy lasibatry ny fitondràna Rajoelina ny mivadika amin’izao fitondràna izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija