Namaly mazava, ny Kestora faharoa ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, ny Dr Vanovason Jean Adrien fa : tsy matahotra ny fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana izany izahay ary tsy mampaninona anay izay fandaminana atao na lazaina aza fa ho soloina vaovao avokoa ireo CT TIM efa am-perinasa. Raha izay no hitan’ny rehetra fa hampivaha ny krizy dia ekenay. Izaha mantsy hatreto tsy nieritreritra hoe namadika an’iza na namadika an’i zovy fa ny hamahana ny krizy no nalehanay aty. Ny anay dia tsy miova, hoy ity Kestora II eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity, izahay dia mijanona foana amin’ny sori-dalana nataon’ny rehetra rangopohy teny Ivato farany teo. Tsy misakana ny fiverenan-dRavalomanana izahay araka izany fa efa voasoratra ao anatin’io sori-dalana io ny fepetra afahana manao izany (mitovy amin’ny fepetra tany Maputo). Ny hiverina izao dia izao kosa anefa dia heverina fa tsy mbola mety fa mbola mafana ny fery». Tena mampivadi-dela tokoa ny fisotroana ranona tetezamita FAT eny Tsimbazaza eny â ! Tsy toy izany ny heno teny an-kianjan’ny Magro fahiny !
Manohy
SARY : Dr Vanovason Jean Adrien, TIM Raharinaivo
Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,
Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,