farany eto amin’ny firenena!»
Vita iny ny dinika nandritry ny 2 andro teny amin’ny CCI Ivato mikasika ny fifidianana, hoy ny antoko politika Otrikafo. Raha ny votoaty izany, hoy ny filohan’ity antoko ity, Elia Rabevahiny, dia tohin’ny fakàn-kevitra nataon’ny filohan’ny fanavaozana, 2 volana lasa izay. Manindry foana ny Otrikafo sy ny KFIM, izay tarihin’ny filohan’ny Otrikafo ihany koa, hoe alohan’ny hiresahana fifidianana sy tetiandro mikasika izany, alohan’ny hiresahantsika pitsopitson-dalàna rehetra mikasika izany, dia aleo aloha alamina mihitsy ny tokontanim-pifidianana vao miroso amin’izany fifidianana izany mba tsy hanaovana hadisoana, hoy izy. Ny androan-tokon’ny mpanao politika hatramin’ny vahoaka malagasy dia tsy matoky ny CENI. Raha hiresaka verindroa na «doublon» sy tsy fahatomombanan’ny fifidianana dia isan’ny tomponandraikitra voalohany amin’izany ny CENI. Mbola io rafitra io nefa androany no heritreretina hitantana ilay fifidianana. Izay no mahatonga ny KFIM sy Otrikafo mametraka hoe aleo apetraka tsara aloha ny adihevitra momba izany vao miroso amin’ny fifidianana. Faharoa, isan’ny maha be resaka sy fototry ny hala-bato foana ity resaka lisi-pifidianana ity. Tsara, noho izany, ny mametraka tsy misy adihevitra ny lisitra biometrika. Izay no heverina fa isan’ny manome antoka tsy hiverimberenana na tsy hisian’izany «doublon» izany intsony mihitsy anaty lisi-pifidianana. Tsy mbola nisy niadiantsika hevitra izany rehetra izany nefa isika mihevitra hanapaka tetiandrom-pifidianana sahady. Raha mbola hisy tokoa ilay fikaonandoham-pirenena dia tsy aleo ve any no manapaka ny heritreritra rehetra? Ankasitrahana ny mpikarakara ny faha 9 sy 10 novambra teny Ivato saingy apetraka foana hoe aoka mba ho ity no krizy farany eto amin’ny firenena! Manao hadisoana isika nefa raha tsy mamotsitra ireo vay tena maharary amin’io fifidianana io fa tonga isika dia miheritreritra daty na taona na lalàna hifehy sy handrindra ilay fifidianana. Tsy maintsy fifidianana no hiafaràna fa mialohan’izay dia andao alamina aloha ny tokontany izay isan’ny loharanona krizy eto foana. Ny tanjona dia ny hampandroso ny firenena sy hampandeha tokoa ny fanavaozana. Zava-dehibe ny hoe fifidianana no hamaranana ny zava-drehetra. Mandefa sarety alohan’ny omby isika raha vao tsy izay satria fifidianana foana no loharanona krizy teto ka aoka izay ny fandefasana an’io mialoha! Mbola rafitra manome vahana ny mpanam-bola foana koa ny rafitra misahana fifidianana eto dia mbola ho izay foana ve izany no atao. Ialàna tsiny fa tsy maintsy miresaka olona rehefa miresaka CENI satria iza moa izany no nanamasina ny «doublon» sy io lisitra tsy tomombana io raha tsy mbola ilay filohan’ny CENI amin’izao? Inona izany no antenaina amin’ilay olona sy ilay rafitra antsoina hoe CENI? Mbola izany ve no hanome lesona mikasika ny fifidianana eto, hoy hatrany ity antoko politika ity omaly?
J. Mirija