fikaonandoham-pirenena io!»
Raha jerena maimaika ny zava-nisy teny amin’ny CCI Ivato dia hita fa vonona isika hiroso amin’ny atao hoe fanovàna, hoy ny mpamakafaka fiainam-pirenena, Tsivery Mao Tse-Toung. Rehefa mijery ny tontolo ny ao ambadika, dia ilay tontolo mbola tsy niova teto amin’ny firenena fa tantara niverina foana, dia hita ho miodinkodina eto foana isika amin’ny resaka fandraisana anjara, hoy izy. Misy zavatra tokony heverina ho laharam-pahamehana eto. Isan’ny zava-dehibe tokony ho dinihina voalohany tokoa ny resaka fifidianana fa ny faneken’ny mpitondra an’io CENI vaovao io hoe mbola hikarakara ny lisim-pifidianana vaovao sy vatsiana vola hanao izany io dia efa mifanohitra amin’ny fifidianana madio. Vantanina mihitsy tsinona fa somary nanana tantara tsy nadio ny mpitarika ao. Tsy izany mihitsy no andrasana hampiova rahampitso. Ny fikaonandoha tsy tanteraka androany dia nisy ny minisitera nanankinana izany. Matoa mbola tsy tonga izany sy ny fanavaozana ankehitriny dia nisy tsy fahombiazana tao saingy nezahana notakonana tamina zavatra madinika. Napetraka foana ny hoe fanovàna ifotony saingy inona amin’ny kasaina ovaina ankehitriny nefa moa no efa tonga eny ifotony? Ny mampalahelo dia ireo tanora niandrandra fiovàna. Fiovàna mahery vaika no andrasana eto amin’ny firenena ankehitriny. Fiovàna ahitàn’ny olona hoe tena niova tokoa isika izany! Tena betsaka izao ny tsy tan-dalàna na amin’ny resaka tsy fandriampahalemana na amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany na inona. Ny fiovàna mahery vaika tena andrasana ihany koa dia hoe io ilay vahoaka malagasy fa mbola mahantra, inona no azo atao hanova an’io haingana tsy hahantra intsony? Aiza ny fitrandrahana ny hevitra hialàn’ny olona amin’izany fahantrana izany? Ny fahantrana tsy ho afaka eo noho eo saingy aiza kosa ny dingana na amin’ny resaka fanabeazana, fahasalamàna, fonenana satria miaina tsy zarizary izao ny vahoaka malagasy maro an’isa? Tsy diso amin’ny teny aloakin’ny vava hatreto ny mpitondra saingy ny takiana indrindra amin’ny vahoaka rehetra koa dia izany atao hoe firaisankina izany. Izany no ainga ho entina any amin’ny fanovàna sy ny ady amin’ny fahantrana. Mbola manjaka eto an-tanàna hatreto ny ady an-kanina. Raha tanisaina isan-teboka izany ny tokony ho dinihina anatin’izany fikaonandoham-pirenena dia voalohany indrindra io resaka fifidianana nampisy olana hatramin’izay io. Tsy nisy tsy nikaikaika tamin’io. Eo ihany ny resaka halabato sy ny rehetra fa ilay sakana amin’ny maha fifidianana malalaka, mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara azy mihitsy. Ireny resaka anto-bola na «caution» dia sakana avokoa tsy ahafahan’ny rehetra mandray anjara. Aza atao «tip-top» io fikaonandoham-pirenena io, indrindra, ny mahakasika ny fifidianana satria rahampitso sy rahafakampitso dia ho toy ny lalana natao «tip top» ihany, izany hoe, ho lavaka be! Faharoa, ny resaka fampihavanam-pirenena. Fotoana hanarenana hanaovana fampihavanana tena izy izao. Ny farany dia ny resaka safidy amin’ny lalàmpanorenana. Foin-janahary ho nosy iray tsy mivaky i Madagasikara fa ny tokony hiadian-kevitra dia ny hoe ahoana no hisitrahan’ny malagasy maro an’isa ny harem-pireneny. Aoka tsy ho ailika amin’ny FFKM indray avy eo ny mety tsy ho fahombiazana nefa efa niaraha-nahita mialoha ny lesoka hatramin’izay, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija