fitsapankevi-bahoaka hifidianana lalàmpanorenana
Nifarana omaly ny dinika lehibe natokana handraisana fanapahan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana amin’ny taona 2027. Lohahevitra miisa 23 no nodinihina nandritra izany, izay samy mikendry ny hamaritana ny hoavin’i Madagasikara. Nisongadina tamin’ireo fanapahan-kevitra noraisina ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fananganana sy ny fandaniana Lalàmpanorenana vaovao, izay heverina fa fototra iorenan’ny fanavaozana politika sy andrim-panjakana kasaina hotanterahina. Anisan’ireo fehin-kevitra lehibe nivoaka ny fanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka momba io Lalàmpanorenana vaovao io mialoha ny fifidianana hafa rehetra. Nofaritana nandritra ny dinika ihany koa ny fe-potoana sy ireo fepetra hitantanana ny fikarakarana izany fitsapan-kevi-bahoaka izany. Nandray toerana manokana tao anatin’ny adihevitra ny momba ny anjara toerana sy ny fandraisan’anjaran’ny fiarahamonim-pirenena. Mba hitandroana ny tsy fiandaniana dia tapaka fa tsy hanao fampielezan-kevitra ireo Firaisamonim-pirenena (OSC). Etsy ankilany kosa, mahazo mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny mpiasam-panjakana tsotra, saingy voarara tsy hanao izany ireo tompon’andraikitra ambony voatendry tamin’ny Filankevitry ny Minisitra. Nohamafisina fa hampiharina amin’ny fomba hentitra ny sazy manoloana ny fampiasana fitaovam-panjakana amin’ny fampielezan-kevitra. Tsy hisy fetra ny vola azo ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra mifandraika amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana, saingy voaràra tanteraka ny fizarana fitaovana na fanomezana mandritra izany. "Voaray ny fehin-kevitra ary handinika ny fomba hamadihana izany ho lalàna izahay", hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, izay nisolo tena ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Andraikitry ny Governemanta ny mandinika ireo fanapahan-kevitra voaray sy mamadika izany ho drafitrasa mazava, izay hampahafantarina ny vahoaka Malagasy mba hanehoana fa hajaina ny votoatin-kevitra nifanarahana. Mikasika manokana ny Lalàmpanorenana vaovao, nohazavainy fa hisy fandinihana lalina sy fandrafetana hentitra ny volavolan-dalàna mba hahazoana antontan-kevitra eken’ny maro an’isa. Ny Governemanta no hiandraikitra ny fandrafetana izany ary hanolotra azy eny anivon’ny Antenimiera mba hodinihina sy holaniana araka ny lalàna manankery. Voarakitra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ny foto-kevitra hoe: « Ho an’ny tombontsoan’ny Malagasy irery ihany » ny lalan-tsaina. Notsiahiviny ihany koa ny teny nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana nandritra ny fanolorana ny sehatra "Torohy" manao hoe: « Mahatantesa fiovana ! », izay nambara fa tsy mora ny fanovàna, saingy efa nasehon’ireo nandray anjara ny fahavononany. Tsiahivina fa ny FFKM no hiandraikitra ny fanomanana sy ny fandrindrana ny Fikaonandoham-pirenena, izay heverina ho dingana lehibe manaraka ao anatin’ny fizotran’ny fanavaozana sy ny fanomanana ny fifidianana 2027. Marihina fa niatrika ny fotoana teny Ivato omaly ny iraky ny SADC izay nihaona tamin'ny PRRM ny alatsinainy teo.
Toky R