airtel

Politique

11-nov-2026

Fanomanana

ny fikaonandoham-pirenena

Sample post image

Nijery ny zava-misy teny

11-nov-2026

amin'ny Village Voara ny SADC
Tonga teny amin'ny Villa Voara etsy Andohatapenaka, misy ny foibe fandrindrana ny fikaonandoham-pirenena, ny solontenan'ny vondrona SADC notarihin-dRamatoa Joyce Banda, omaly, taorian'ny famaranana ny fanolorana ny fandravonana ny angon-kevitra nandritra ny fakan-kevitra nasionaly ho fanomanana ny fifidianana natao teny amin'ny CCI Ivato. Nisy ny fihaonan'izy ireo tamin'ny filoha amperin'asa ny FFKM, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona sy ireo mpitarika eo anivon'ny Coordination Nationale na Mpandrindra nasionalin'ny fikaonandoham-pirenena. Niompana tamin'ny fizotry ny dingana firosoana amin'ny fanomanana ny dinika izay tarihin'ny FFKM ny fihaonana. Nandritra izany no nanazavana fa miroso ny asan'ny Mpandrindra Nasionaly ary efa nisy ny dingana maro vita toy ny fampiofanana ireo mpampiofana tamina Distrika filamatra. Nahita maso ny firosoana sy ny asa ataon'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Fandrindrana Nasionaly miasa eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka ny solontenan'ny SADC. Nilaza ireto farany fa afapo amin'ny fivoaran'ny asa fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. "Mahavelombolo ny fahitana fa miroso ny fanomanana ny dinika eny ifotony ataonareo izay hanomanana ny fikaonandoham-pirenena", araka ny fanamarihana nomen'ny delegasiona SADC.
Jean D.
Fahatongavan'ny solontenan'ny SADC teny amin'ny Village Voara Andohatapenaka omaly
 

Dans la même rubrique

11-nov-2026

Aza atao «tip-top» io

Card image cap
11-nov-2026

Hosantarina amin’ny

Card image cap
06-nov-2026

Lasa misy fangatahana roa samihafa

Card image cap
06-nov-2026

Tsy atokisan’ny vahoaka intsony

Card image cap
06-nov-2026

Mila manana tetibolam-pampandrosoana

Card image cap