airtel

Politique

11-nov-2026

ANTOKO ALFA

Manana lalampanorenana hatolotra

Sample post image

Nahavita ny adidiny tamin’ny

11-nov-2026

fandraisana anjara tamin’ilay fakan-kevitra natao teny amin’ny CCI Ivato handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fanomanana ny fifidianana ny antoko Alfa tarihin’ny Filohany Mamy Rakotoniaina. Nambarany fa zavatra miisa 2 no tena nahafaly azy sy ireo mpikambana ao aminy tao anatin’izay 2 andro izay mahakasika ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena. Voalohany dia ny fahafahan’ireo diaspora Malagasy mandray anjara amin’ny fifidianana. Eo ihany koa ny tsy fahazoan’ireo kandida mizara zavatra intsony mandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Zava-dehibe ny fandraisan’ny tompon’andraikitra ireo fanapahan-kevitra ireo hoy hatrany ny filohan’ny antoko Alfa. Tsiahivina moa fa efa dodona amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ihany koa ny antoko Alfa. Efa manana lalam-panorenana hatolotra mantsy izy ireo dia ny Fanjakana tokana mifototra amin’ny Faritany mizaka tena. Tanjona amin’izany hoy izy ny hamerenan-kasina ny fokonolona eny anivon’ny fokontany sy ny mba hananan’ny isam-batan’olona ilay haranitan-tsaina faobe na intelligence collective. Farany moa dia hangatahin’ny antoko Alfa sy hetahetany ihany koa ny tokony hanadiovana ny tokontanim-pifidianana. Mbola mitohy hatramin’izao ihany mantsy hoy izy ilay rafitra tamin’ny andron’ny fitondrana teo aloha ka tokony ho tapahana ilay rojom-pifandraisana.
Pati
Legende : Izy no Rakotoniaina Mamy, Filohan’ny antoko Alfa !
 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

ny mampametra-panontaniana

Card image cap
12-nov-2026

Aoka mba ho ity no krizy

Card image cap
11-nov-2026

Aza atao «tip-top» io

Card image cap
11-nov-2026

Nijery ny zava-misy teny

Card image cap
11-nov-2026

Hosantarina amin’ny

Card image cap