airtel

Politique

12-nov-2026

Antom-pisiana

sy fiasan’ny CENI Mbola betsaka

Sample post image

ny mampametra-panontaniana

12-nov-2026

Raha ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitra hatramin’izao aloha dia toy ny efa heno nandritry ny taona maro ihany, fara faha keliny, toy ny tao anatin’ny 17 taona, dia mbola tsy matoky an’izany CENI na Vaomieram-pirenena mahaleontena misahana ny fifidianana izany ny ankamaroan’ny olompirenena. Ny ankamaroan’ny mpanao politika, antoko, vondrona ihany koa moa dia mbola saika milaza izany avokoa amin’izao fotoana izao. Tsy nisy fotoana nisiana fifidianana teto amin’ny firenena ka naneho fa nahafa-po ny CENI na tena naha tanteraka fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra. Izay nitazona fitondràna sy ireo mpanaradia azy teo hatrany no natetika nilaza fa afa-po tamin’ny vokatry ny CENI. Farany teo kosa, izany hoe nandritry ny fifidianana 2023, dia samy nitaraina ho niharana hala-bato daholo ny firehana rehetra, na havia io na havanana na afovoany. Nalaza ny hoe verindroa na «doublon». Maro ireo nitaraina nikasika ny lisi-pifidianana. Voaresaka ihany koa ny fisiana biraom-pifidianana noforonina na hoe «fictif». Niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera ny vokatra tsy manaraka lojika, izany hoe, nihoatran’ny 100%. Amin’ny ankapobeny, izay izany no atao hoe lafiny ara-tekinika saingy, hita ho mbola betsaka ny mampametra-panontaniana hatramin’izao mikasika ny antom-pisiana sy fiasan’ny atao hoe CENI. Fa maninona tokoa moa izany, ohatra, no maharitra 6 taona be izao ny fotoam-piasàn’io rafitra io? Hisy fifidianana ho hatrehin’ny firenena angaha isam-bolana? Tena ilaina ve ny manontona volabe ho ana rafitra tsy mamoaka afa-tsy voka-pifidianana vonjimaika sy nampisalasala ny maro hatrany teto amin’ity firenena ity, araka ireo hita hatrizay?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

Aoka mba ho ity no krizy

Card image cap
11-nov-2026

Aza atao «tip-top» io

Card image cap
11-nov-2026

Nijery ny zava-misy teny

Card image cap
11-nov-2026

Hosantarina amin’ny

Card image cap
11-nov-2026

Nahavita ny adidiny tamin’ny

Card image cap