airtel

Politique

22-févr-2024

Famelabelarana mikasika an-dRatsimandrava

Antony ara-toekarena no namonoan’ny olona azy…

Sample post image

Tontosa teny amin’ny "Trano Sary" Ambohidahy omaly 21 febroary

22-févr-2024

ny famelabelaran-kevitra ho fahantsiarovana ny faha-49 taona nahafatesan'ny Kolonely Richard Ratsimandrava, izay notanterahin-dRatsimandrava Danielle, zanany vavy, sy Rakotonaivo Julien izay mpandalina tantara. Tomefy olona ny famelabelarana sy fampiratiana, izay tao anatin’io ihany koa no nandefasAna ny horonan-tsary fijoroana vavolombelona nentin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré, mitantara ny fiainany, taloha sy nandritra ny nitondrany, ary tamin'ny nahafatesany. Notsindriana omaly fa antony ara-toekarena no namonoan'ny olona azy noho izy nijoro tamin'ny maha zava-dehibe ny fokonolona sy ny fokontany, izany hoe ny Malagasy ihany no mitantana ny haren'ny Malagasy. Nanamafy ny mpikarakaraka fa tsy azo dinganina izao faha-49 taona nahafatesany izao, tantara tsy fanadino satria olomangan'ny firenena azo alain-tahaka ny kolonely Ratsimandrava. Tsara moa no mampahatsiahy, fa 49 taona katroka ny 11 febroary teo no namonoana azy, andro vitsy taorian’ny nandraisany ny fahefana. Vao andro vitsy ihany koa no nisy ny fangatahana nataon-dry Depiote Rahasimanana Paul Bert tamin’ny Minisiteran’ny fitsarana noho ny fisiana tranga vaovao na « faits nouveaux » manodidina ity raharaha ity.
Toky R

Sary indrana
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap