airtel

Politique

23-mai-2024

Fametrahana depiote azo atao saribakoly

Mihamafy ny setrasetra sy barofom-panjakana…

Sample post image

Vaovao politika nafana tao Manakara ny nanambaran’ireo kandida roa dia i Tidjy Wai N°5 sy Tanjona N°2

23-mai-2024

ny fitsaharany tsy handray anjara amin’ny fifidianana na efa anaty bileta tokana aza. Samy nanaiky ny hampitsahatra ny propagande avy izy roalahy ireo, ka: ilay kandida N°5 niantso ny mpanohana azy mba handany ny kandida N°6 dia ny volomboasary, ilay kandida N°2 kosa tsy hanome « consigne de vote » na toromarika ho an'ireo mpanohana azy. Nisy kosa ny loharanom-baovao azo avy any Manakara, fa tsindry ataon’ny volomboasary satria atahorana fa tsy ho lany i « Madamabe ». Araka ny fombafomba any amin’iny faritra iny, dia manan-danja kokoa ny lehilahy amin’ny Fidirana amin’ny tranobe. Tsy dia mitombona ny hoe : izy (Madamabe) hipetraka ery amin’ny ilana atsinanana miaraka amin’ny lehilahy, hoy ny fanamarihana. Ilay kandida N°2 dia i Tanjona kosa efa 3 taona teo no nanomana, ary ambony be ny herijika hahalany azy, ka matahotra ny volomboasary sao ho resiny. Tanjona no tena natahorana ka nialana ilany, dia mody nalefa ilay kandida iray mba hiala ihany koa, hoy ny fitantarana. Mba hanaovana tsindry faran’izay mafy dia namoronana dosie. PRMP na mpiandraikitra tsenam-panjakana tany amina minisitera ilay Tanjona, ka namoronana dosie hoe : taiza no nahitanao vola fa tamin’ny naha PRMP, ka mipetraha tsara, hoy hatrany ny fitantarana. Voalaza fa efa nosakanana fa tsy hirotsaka fa tsy nety, ka rehefa nandeha ny propagandy dia nipoaka be, hany ka nivoaka ny hevitra hoe : kapao fa manimba ny tany. Niaraka niala an-daharana ny kandida roa mba hanakonana an’ilay hoe : iry iray iry no tena tiana hasiana. Tsy vitan’ny niala, fa noterena hanao fanambarana hoe : izahay manohana ny laharana faha-6, hoy hatrany ny vaovao avy any Manakara. Endrika maneho sy manamafy ny politika maloto. Tsy iray tsy roa ny kandida tratry ny endrika sotasota na fandrahonana. Sary mitranga any amin’ny distrikan’Ambositra, ohatra, ny fisiana kandida azo lazaina ho manana ny hoenti-manana na ara-pitaovana na ara-bola, ary manana herijika ho lany saingy voalaza fa tratry ny tsindry amin’ny kapa-ranjo ara-pihariana amin’ny alalan’ny « redressement fiscal » hatrany amin’ny orinasam-pianankaviana. Ny tany Antanimora Sud, dia ny Filoham-pirenena mihitsy no manao propagandy mivantana fa olona afaka miara-miasa aminy no tokony hitondra ny tenin’ny vahoaka, hiteny azy any hanamboatra ny làlana,… antoka mbola hiverenany any.
FIFANDRIFIAN-JAVATRA VE ?
Ny fanakatonana haino aman-jery ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana moa dia efa roa izany izao no efa nikatona tanteraka, ary iray an-dàlana. Tafiditra ao anatin’ny kapa ranjo hamelezana ireo kandida atahorana haharesy ny volomboasary avokoa izany ankoatra ny fandikan-dalàna samihafa amin’ny fampiandaniana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Asa mbola hidiran’ny fampandresena kandidam-panjakana ko ave ny fanjavonana vadina kandida tsy miankina ny fandefasana andiana mpitandro filaminana nanemitra ny foiben-toeran’izy ireo ? Ezahana mafy ny hametraka depiote aza baikoana sy hatao saribakoly, ka ny vahaolana dia ny fanoherana izany any anaty latsa-bato.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap