izay voalaza fa efa nohafahan’ny Fitsarana madiodio tamin’ireo vesatra nanenjehana azy. Tahotra sy hakanosana politika avy amin’ireo mety ho mpifaninana politika no mety mahatonga ny fivoizana indray ny dosie efa niravona, raha ny setriny mivoaka. Ity farany izay malaza fa mety ho kandida solombavambahoaka ao anatin’ny distrikan’Ifanadiana. Anisan’ny maharaka tsara ity dosie ity ny mpitsara izay efa Filohan’ny SMM na Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara teo aloha Atoa Clément Jaona, ka raha ny fanazavana teknika nangatahana taminy dia ny voambolana fampiasa amin’ny fitsarana hoe : « Ahafahana madiodio » na «relaxe pure et simple » izay lazain’ny didy mihitsy no mila fantarina satria raharaha efa voatsara ireo raharaha izay nampahatsiahivina, ary efa nisy didy raikitra nivoaka, araka ny didim-pitsarana laharana faha-223 tamin’ny 11 mey 2021 sy ny didy laharana faha-ACCC02 265 tamin’ny 21 oktobra 2021 izay navoakan’ny Fitsarana Heloka Bevavan’ny Fitsarana Ambony eto Antananarivo, izay voalaza fa nanenjehana an’i Manantena Hajanirina Dinah tamin’ny lohan-keloka iray ihany fa nampitomboina tamin’ny raharaha faharoa. Araka ireo didim-pitsarana voatanisa etsy ambony, naneho ity mpitsara ity fa raha raisina amin’ireo, dia mazava fa manana ny zo feno na sivily na politika ny olona iray ary madio tanteraka eo anatrehan’ny fiarahamonina rehefa afaka madiodio. Tsy jiolahy araka ny resaka ahely, rehefa avy nenjehina ara-pitsarana kanefa nahazo fahafahana madiodio, raha ny fanazavan’io ny Filohan’ny SMM teo aloha. Ankoatra io, nanao fanambarana ny olom-boafidy rehetra ao Ifanadiana sy ny Rayamandreny mikasika ity toe-javatra ity. «Tsy manaiky ny fandotoana sy fanimbana ny zanakay isaky ny alohan’ny fifidianana solombavambahoaka misy eto aminy firenena izahay. Raha manana ny fanampahan-kevitra ny hilatsaka izy dia aleo ny vahoakanay no hitsara fa hatreto aloha mbola tsy naheno ny filatsahany izahay”, hoy izy ireo. “Misy olona izay tompon’andraikitra ara-panjakana izay sy te ho kandidam-panjakana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ihany no atidohan’ny famotehina sy fandotoana samihafa an’I Haja Dinah, fa raha mafy sy mahatoky tena ilay olona dia milatsaha ho fidina dia aleo ny vahoaka no hitsara ary fantatray olom-boafidy sy Raiamandreny ary ny vahoaka aty an-toerana izany.”, hoy valin-kafatra. Mikasika ny raharaha tany aloha be aminy fanenjehina azy dia efa mazava ny didim-pitsarana fa olona madio io (APS) ny zanakay, hoy hatrany izy ireo. Isan’ny nomarihin’izy ireo, fa ny mampiavaka an’i Haja ny fampiofanana vehivavy 14500 tao amin’ny distrikan’Ifanadiana, fanomezana masomboly mamaimpoana an’izy ireo, ankoatra ny asa sosialy samihafa. Andrasana ny mety ho setriny hafa!
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo