airtel

Politique

07-oct-2022

Politique

Famoriam-bahoaka any Toamasina Nomena alalana ny TIM, saingy…

Sample post image

Nomen’ny prefektioran’i Toamasina hamory vahoaka ao amin’ny ex-Magro Toamasina ny antoko politika Tiako I Madagasikara rahampitso 8 oktobra 2022.

07-oct-2022

Hita ho enjana ny fepetra takiana amin’ireo mpitarika izany hetsiky ny TIM izany etsy ankilany. Araka ny voalaza ao anaty taratasy fahazoan-dalana dia manome alalana ny antoko TIM hanatanteraka ny famoriam-bahoaka ao anaty trano ex-Magro ny sabotsy 8 oktobra 2022 manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva ny prefen’I Toamasina. Noho izany, hoy ny voambara, ny mpangataka dia tsy mahazo mivoaka ny faritry ny Magro fa ao ihany no mamory ny mpikambana ao aminy. Tsy azo atao ny mirohotra mitsena olona eny an-dalambe na eny amin’ny seranam-piaramanidina. Tsy ekena ny filaharana an-dalambe mitanjozotra mamonjy ny toerana hivoriana fa samy manao izay hahatongavany. Anjaran’ny mpangataka ny miantoka ny filaminana sy fandriam-pahalemana ao anatin’ny faritry ny Magro mandritra io andro io. Mandray ny andraikitra avy hatrany ny mpitandro filaminana raha toa ka misy fihoaram-pefy ataon’ny mpivory. Tomponandraikitra tanteraka ny mpangataka raha toa ka misy korontana mitranga mandritry ny tontolon’ny andron’ny sabotsy 8 oktobra io, hoy hatrany ny voambara ao anatin’ity fahazoan-dalana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly

Card image cap
16-janv-2025

Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.

Card image cap
16-janv-2025

Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana

Card image cap
16-janv-2025

Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena

Card image cap
15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap