airtel

Politique

08-févr-2024

Famotehana firenena

Tsy hanaiky ho diso mandrakizay ry Rajoelina ?

Sample post image

Feno 15 taona katroka ny andron’ny omaly ny raharaha 07 febroary2009

08-févr-2024

ivon’ny revolisionina volomboasary notarihin’i Andry Rajoelina, izay filoham-pirenena ankehitriny. Betsaka ny fampanantenana novoizina niainga tamin’izany, nalentika tao an-tsain’ny olona fa tena hiroso amin’ny fanavaozana amin’ny lafiny maro i Madagasikara : demokrasia, fandresena ny jadona, fahalalahana ara-toekarena, fihatsaran’ny fiainam-bahoaka,… Mby aiza izany ankehitriny ? Ny zavatra tsapa sy tsikaritra, ary iainana aloha dia mitsimbadika tanteraka ny rasa ! Mpitondra sady mpandraharaha Malagasy no nolazaina fa manao ampihimamba sy nanao jadona tamin’izany, fa ankehitriny mitsimbadika tanteraka amin’io ny rasa. Ny karana sy ny olom-bitsy anatin’ny fitondrana omena vahana hanjakazakazaka, fa ny mpandraharaha Malagasy mba misongadina izay tsy migadra atao fahirana. Endrika isehoan’ireny io raharaha Andry Raobelina io, ny figadran-dry Mbola Rajaonah,… Marina fa mety nanana ny hadisoany ireny olona ireny, fa raha toa ka sinoa sy karana tokoa ve dia natao tahaka an’ireny ? Tena mihatra amin’ny rehetra ve ny lalàna eo anatrehan’ny kolikolim-panjakana samihafa ? Betsaka ireo fampanantenana tsy tanteraka, nihemotra ny demokrasia, tsy hita taratra ny Fanjakana tan-dalàna, miverimberina ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana, ny jadona sy ny fanjakazakana vao mainka mitombo,… Ny lafiny toekarena sy ny sosialy moa sarontsaronana amin’ny seho ivelany, kizarazara sy ny kitsinjotsinjo tsy mahavaha olana, fa ny politikam-pamokarana nohamaivanina, hany ka efa maty noana ny Malagasy vao manao serasera fa hanampy ny tantsaha. Miha rendrika ny Malagasy, mihatery ny fihariana, miantraika any am-bilany ny fahasahiranana, mitombo ny mahantra,… saingy hodiana tsy hita ireny. Ny resaka fitantanana izany, dia taratry ny faharavan’i Madagasikara ireny fihotsaky ny orinasam-panjakana ireny. Ny Jirama talohan’ny fanonganam-panjakana 2009 nanana ambim-bava 60 miliara Ar mahery fa izao bokan-trosa an’arivony miliara ; ny Air Madagascar nanana fiaramanidina maro ary nanao sidina iraisam-pirenena samihafa fa izao maty tanteraka sy bokan-trosa tanteraka hatramin’ny Madagascar Airlines nasolo azy. Ny Renivohitr’i Madagasikara izay fitaratra voalohan’ny firenena dia voasokajy anatin’ny tanàn-dehibe voretra indrindra maneran-tany,… Tena izao ve ilay hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Tsy hanaiky ho diso mandrakizay na efa nampidi-kizo ny firenena aza?
Toky R


 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap