airtel

Politique

12-sept-2022

Politique

Fampandrosoana firenena Tsy vitan’ny kisehoseho fa mila fanabeazana matotra

Sample post image

Tsy misy maharatsy mihitsy ny fanorenana sekoly sy fotodrafitrasana, ary efa hatrany amin’ny repoblika faharoa no nanana tanjona hoe :

12-sept-2022

EPP isaky ny fokontany, CEG isaky ny firaisana, Lisea isaky ny fivondronana ary oniversite isaky ny faritany.Mbola nanamafy sy nanatsara an’io ireo fitondrana nifandimby, dia nanomboka nalaza ny hoe fanampàiana ara-pitaovaa ny mpianatra amin’ny alalan’ny kits scolaire tamin’ny fitondana Ravalomanana, napetraka ihany koa ny sakafo ho an’ny mpianatra indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomanana tamin’ilay fandaharanasa cantine scolaire. Nihazzakazaka tamin’ny fampitmboana ny isan’ny mpampianatra FRAM ny fitondrana HVM, ny fiketrehana ny fandaharam-pianarana vaovao, fa tsy tafavoaka moa io hatramin’izao. Nametraka fanamby hanorina sekoly manarapenitra ary manao izany isaky ny distrika ny fitondrana Mapar ankehitriny, mbola nanamafy ihany koa ny fananganana oniversite isam-paritra sy ny firosoana amin’ny “digitalisation” an’ny fampianarana ambony.
MIANATRA MBA HAHAVITA AZY
Raha ny tena izy dia mifampitohy sy ny mifameno ireo zava-drehetra ireo, ary tsy tokony hifaninanana mihitsy hoe iza no nahavita be; ny tokony ifantohan’ny adihevitra dia ny hoe : niha tsara ve ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara, niha nahay sy nivoatra ve ny mpianatra Malagasy, mifanaraka amin’ny zavatra iainana eto sy manerantany ve ny zavatra ampidirina ao an-dohan’ny mpianatra eto Madagasikara sa mianatra fotsiny mba hahazo diplaoma atao haingon-trano any aoriana any.Ny tsapa aloha dia mihena ny tahan’ny fidirana an-tsekoly, mihena ihany koa ny taham-pahafahana ary maro ny tanora manana diplaoma sy nahavita fianarana ambony no sahirana rehefa tonga tokoa eo amin’ny sehatry ny asa.Toa tsy ampy fahalalana izany; mbola zavatra hafa raha hoe ho any ampita no hanohy fianarana fa dia mivarina kilasy mihitsy aloha.Midika izany fa misy fanatsarana goavana mbola mila atao eo amin’ny fandaharam-pianarana sy ny teknika hampianarana ny zanaky ny Malagasy ary tsy zarina fotsiny amin’ny fifaninanana hoe : iza no voalohany sy faharoa dia iny no indraindraina na akoraina.Tsy maintsy mifanaraka amin’ny zavatra iainana eto ny fandaharam-pianarana ary tsy tara amin’ny fivoaran’izao tontolo izao.Mpianatra mahavita azy, mahavita tetikasa, mahavita asa any aoriana no ilaina fa tsy mpiantra handray baiko sy toromarika fotsiny rehetra miditra eo amin’ny sehatry ny asa.Mpianatra manana ny maha izy azy, manana foto-pisainana tia karokaroka ary sahy manaposaka ny heviny. Tsy vitan’ny sehoseho ivelany izany fa tena asa be ary mil any hevitry ny herivelona rehetra, mil any hevitr’ireo manampahaizana.Tsy ny trano fianarana no mampahay fa ny fandaharam-pianarana voafantina sy voarafitra tsara. Manana rafim-pampianarana efa tena voasaina sy voasedra tsara ireo firenena mandroso rehetra, miainga any amin’ny fanabeazana fototra ka hatrany amin’ny oniversite fa tsy hoe kisendrasendra no nampandroso azy ireo.
RTT
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap