airtel

Politique

09-avril-2024

Fampihorohoroan’ny Fanjakana

Misy kandida depiote nitsoaka, nosamborina,…

Sample post image

Nifarana omaly 8 mey tamin’ny 5 ora hariva ny fanaterana antontan-taratasy ho

09-avril-2024

an’ireo mpilatsaka hofidiana ho depiote. Henjakenjana ny fanasarotana ny firotsahan-kofidiana tamin’ity indray mitoraka ity, izay endriky ny kajikajy politika. Endrika maneho fa tsy mahatoky tena ny Fanjakana ankehitriny, fa tsy arakarak’ilay hoe: vao avy lany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy mahatoky an’iny satria tao anatin’ny fifidianana mandeha ila aza mbola ireny ny vokatra. Nohasarotina ny firotsahana, nakarina avo 4 heny anto-bola, nangotraka ny fanenjehana, nananosarotra ny fahazoana dosie, betsaka ireo fitarainana,… Nisy ny endrika fanenjehana ireo kandida mety atahorana, toy ny tranga tao Antsiranana I, izay nenjehina ny ben’ny tanàna Atoa Djavojara Jean Luc ka heverina fa voatery nandositra, kanefa voalaza fa tsara toerana ho lany depiote satria tena mamim-bahoaka. Nosamborina taorian’ny fametrahany antontan-taratasy firotsahan-kofidiany Atoa Arosy Namiandrazana François na François Labanane tao Nosy Be ny faran’ny herinandro teo, ka nampiaka-peo nirohotra teny amin’ny fitsarana ireo mpanara-dia. Nosamborina ihany koa raha avy nametraka ny antontan-taratasiny ny sabotsy teo ny kandida Mahavitaraha Sylvestre tao Vangaindrano, ka tsy hita izay misy azy hatramin’ny omaly. Nampiaka-peo ny vahoaka mpanara-dia aminy, ka nilaza ho tsy ho tompon’antoka amin’izay zavatra mety hitranga. Nisy ihany koa ny fitarainana samihafa tamin’ny fanasarotana ny fahazoana ny antontan-taratasy indrindra fa ilay resaka fanamarinana ny fandoavan-ketra n any 211bis, izay nisy ny nitaraina toy ny kandida TIM Rina Randriamasinoro ao amin’ny Boriborintany faha-4 eto Antananarivo izay nandeha naka izany Toamasina. Tahaka izany ihany koa ny kandida iray tany Ihosy, fa na dia efa nahaloa hetra ara- dalàna dia ara- dalàna ara- ketra aza araky ny fitanana an-tsoratra izay nataon'ny vadintany teny amin'ny ivon-ketra aza dia tratry ny fahasarotana, hoy ny fanazavana. “Ity no sarotra indrindra ny fikarakarana ny antontan-taratasy”, hoy ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny Malagasy Atoa Roland Ratsiraka omaly, izay io omaly io efa takariva .vao tontosa ny fanaterana ny dosie, ka anisan’ny nohasarotina ihany koa ny fahazoana ilay 211bis. “Araka ny fangatahan’ny maro dia mametraka ny taratasy firotsahan-kofidiana. Efa tokony ho tamin’ny sabotsy saingy efa tamin’ny talata ny 211bis no nangatahana kanefa efa taty amin’ny ora farany vao azo tamin’ity. Sabotsy sy alahady mbola niady an’izany. Feno sakantsakana saingy tsy mahakivy, vao mainka mampijoro ho an’I Toamasina”, hoy I Roland Ratsikaraka. Nahitsy ity farany nilaza fa tsy manam-piniavana hanao lalao madio ny Fitondrana ankehitriny, tsy zatra manao fanatanjahantena, tia sakantsakana. “20 taona mahery aho no nilatsaka ho fidiana fa mbola tsy nisy fahasarotana tahaka ity. Toe-tsaina lomorina tsy mampandroso firenena, tsy tia fifaninanana madio”, hoy I Roland Ratsiraka, izay niresaka ihany koa ny tranga tany Nosy Be, ny fisiana mpanao politika voatery mitsoaka.
TSY TENA AZO ANTOKA NY HISIAN’NY FIFIDIANANA MADIO
Manampy trotraka an’ireo fanasarotana sy fanenjehana samihafa ny ahiahina hala-bato, ny tsy fahazoan’ny mpanohitra rariny eny amin’ny rafi-pitsarana toy ny HCC raha tarafina amin’ny didy nanonganana ny Filohan’ny antenimierampirenena teo aloha kanefa ny tranga tahaka izany tany aloha tsy tahaka io satria ny mpanohitra no nitory. Betsaka ny endrika mety hisehoan’ny hala-bato izay mila fahamailoana: mety ho miainga amin’ny fividianana mpifidy mivantana na ankolaka, halatra miainga amin’ny kara-pifidianana, fanararaotana ny mety ho tsy fahavitrian’ny mpifidy, ny fampidirana bileta efa voamarika na “bourage d’urne”, ny mety ho fanovana eny amin’ny Vaomiera misahana ny fifidianana eny amin’ny distrika,… Fomba fiady efa nitranga ny fanafoanana ny vato azon’ny kandida tiana hahintsana amin’ny toerana nahazoany vato betsaka ka takosenina ohatra ny fitanana an-tsoratra, ny fampandresena izay kandida tiana holaniana any amin’ny voka-pifidianana ofisialy,… Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo, efa nisy mpitsara niandraikitra ny fifidianana tany Marolambo nijoro vavolombelona momba ny tetika hafahafa. Tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, tranga efa niseho ny hoe: tsy nisy fitoriana fa dia nofoanana ankitsirano fotsiny ny valim-pifidianana satria nandresy ny kandidan’ny mpanohitra,… Ho foana ve ireny rehetra ireny amin’ity? Mila mailo ny rehetra!
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap