airtel

Politique

23-mai-2024

Fanakatonana radio tsy miankina

2 no efa lasibatra, an-dàlana ny an’i Narson Rafidimanana

Sample post image

Nandefasan'ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina na ny MSK taratasy fakatonana ihany

23-mai-2024

koa ny radion'i Narson Rafidimanana, kandida depiote avy amin’ny Vovonana Firaisankina ao Antanifotsy, raha ny vaovao avy any an-toerana. Tsy mbola sahy nanakatona satria mila « ordonnance » avy amin'ny Fitsarana ny fanakatonana, raha ny fanamarihana. Atahorana mafy ity depiote am-perin’asa ity, ka tadiavina ihany koa izay fomba hamelezana azy. Nanao fampitandremana ihany koa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nandritra ny fidinana ifotony nanao propagandin’i Narson Rafidimanana ny alatsinainy lasa teo mba tsy hanakatonana ity onjam-peon’ny Kandidan’ny Firaisankina ity. Vao mainka nahasosotra ny mpitondra ny fahatongavan’ny vahoaka maro be nanotrona izany, ka antony mety miteraka io fikasana hanakatona radio io. Efa nitadiavana hirika ny saika hanilihana an’i Narson Rafidimanana, efa saika tsy nomena « état 211 bis » na taratasin-ketra, raha tsy nanao rodobe teny amin’ny CENI ireo lohandohany ao amin’ny Firaisankina. Depiote tsy miankina amperin’asa i Narson Vahoaka tamin’ny fandalovan'ny Etamazaoro Firaisankina tao Antanifotsy. Raha ny resaka fanakatonana radio, dia roa no efa lasibatra tao amin’ny anatin’ny tapa-bolana satria nakatona ny Radio RFB FM 103.4 tao Ambatofinandrahana satria namoaka ny fampielezan-kevitry ny kandida Christine Razanamahasoa, kanefa voalaza fa misy radio hafa mpanohana ny fitondrana vao nitsangana na heverina ho tsy ara-dalàna aza ny ara-taratasiny. Vao omaly ihany koa ny mpitantana ny radio Feon’i Fivoarana FM 88.2 ao Imeritsiatosika fa nahazo taratasy fanakatonana avy amin’ny MSK fa akatona fa tsy ara-dalàna. Ny tompon’io radio io izay marihina fa anisan’ireo mpifaninana anatin’ny fifidianana depiote. Fifandrifian-javatra ve ny hoe : ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana no mandeha ny fanakatonana onjam-peo. Mbola tsy nierina akory ny nanamarihana sy nankalazana ny andro maneran-tany mikasika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny 03 mey lasa teo, dia efa mandeha ny fanakatonana onjam-peo samihafa noho ny hevitra tsy mitovy ara-politika. Adino ve fa fanakatonana haino aman-jery no isan’ny natao fitaovana nanonganam-panjakana tamin’ny 2009?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap