airtel

Politique

12-mars-2024

Fanakonana ny tsy fahombiazam-pitantanana

Miakatra ny daozin’ny fanodinana saim-bahoaka…

Sample post image

Manao ranolava ny toe-javatra miseho izay ahiana ho zavatra iniana

12-mars-2024

volena sy amboamboarina hoentina manadala saim-bahoaka. Miovaova araka ny vanim-potoana sy toa natao hanakonana ny mason’ny vahoaka tsy hitodika any amin’ny zavatra manaratsy endrika ny mpitondra ? Nangina indray aloha ny resaka biby mihinana sy mandripaka biby fiompy rehefa nalaza tao anatin’ny 2 na telo volana teo. Tsy tena nisy marina nipoitra hoe : tahaka ny ahoana marina ary izy io ? Inona no antony nahatonga azy ? Nalaza sy niteraka resabe tetsy sy teroa fotsiny, sanatria toa natao mba hamerezana ny saim-bahoaka tsy hisaina sy tsy hahita na koa tsy hiady hevitra eo anatrehan’ny firenena miha mahantra fadiranovana, vidim-piainana midangana, mpitondra tsy mahomby, fahapotehan’ny làlana izay nanaovan’ny sehatra iraisam-pirenena tsikera saingy nodian’ny mpitondra adala, ny fakan’ny vahiny an-keriny ny tanin’ny Malagasy,… Inona tokoa moa ny fitantanana tena mahomby sy mandeha amin’izao ? Moa tsy ny bizina politika sy afera maizina no malaza efa hatry ny 5 taona teo aloha ? Nialohan’ireny ny resaka halatra voamaso, ny resaka roro sy tranga hafahafa nianjady tamin’ny tanora maro, ny asan-dahalo sy « kidnapping » izay nanao ranolava,… Mbola azo ampidirina ao anatin’io ihany koa aza ny adihevitra momba ny lalàna mikasika ny fanolanana fanavaozana nentina tao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana. Nanintona kokoa ny sain’ny vahoaka ireny, niteraka adihevitra samihafa teny amin’ny fiarahamonina. Toa tahaka ny misy bokotra tsindriana na koa toy ny horonan-tsary, ka bokotra no potserina dia toa mangina ny toe-javatra iray, dia mipoitra indray ny hafa. Toa ireny no hanakonana zavatra maro mba hanadinodinoana ireo tsy fahombiazam-pitantanana maro samihafa na koa ny kajikajy politika maro mandeha satria efa akaiky rahateo ny fifidianana manaraka.
FIFANDRIFIAN-JAVATRA VE ?
Tampoka teo, nipoitra indray ny rindran-tsary na «clip » izay nataona andian-tanora izay olona akaiky ny fitondrana ny fahafahantarana azy ireo, hita tamin’ny hetsika ara-pivavahana samihafa nahitana ny Filoham-pirenena ankehitriny, ary heverina ho tsy fifandrifian-javatra ihany ny nanaovana ny fandraketana ny horonan-tsary tetsy amin’ny Kianjan’i Mahamasina. Fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe : nifanandrify tamin’ny fanaovana hetsika nifandraika tamin’ny Fankalazana ny Taom-baovaon’Imerina teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana ny namoahana an’iny rindran-tsary iny ? Ny hetsika teny Anatirova izay natao tao amin’ilay «Colisée » nampiady hevitra sy niteraka tsikera maro samihafa ho fanontana fady, saingy nanaovana amboletra sy bodongerona hatrany am-boalohany. Teo amin’ny votoatiny, misy soatoavina raketiny ilay hira « Mitsangana ry tanora », izay hiram-pitolomana ny fanjanahan-tany sy ny famoretana nataon’ny frantsay, saingy ao anatin’ilay fomba fihirana amin’ny endriny nataon’ireto andian’olona ireto dia notovanana teny Frantsay. Mifankaiza amin’ny fampidirana ny Colisée Romanina tandindon’ny fampiadiana olona ho tahaka ny biby fahiny moa izany ? Tena mbola hahomby ve ny fanadalana sy fanodinkodinana saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny tsy fahombiazana sy ny hadalan’ny mpitondra ? Mbola hahomby ve ny fanjonoana sy fanararaotana ny fahantram-bahoaka ka hotambazana sô sy koveta dia ho voavidy ny vatony mba hiadanan’ny mpanao politika ao anatin’ny 5 taona manaraka indray ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap