mahafantatra fa azy i Madagasikara, ary manaiky izany, mba hiara-hiasalahy amin’ny fanavotam-pirenena ny Antenimieran’ny Raiamandreny ara-drazana sy ny Foko eto Madagasikara na ny ARFM, izay namory ny herivelona samihafa nandritra ny roa andro teny Mandriambero Ambohidratrimo. Iaraha-mahita fa tra-pahavoazana, maratra, mila famonjena i Madagasikara, ka tsy misy afaka hamonjy azy afatsy ny Malagasy, hoy izy ireo. Nanao hazolava sy antso vony rano vaky amin’izany fanavotan-tanindrazana izany ho an’ny teratany Malagasy na eto an-toerana ny mielim-pantrana maneran-tany mba hitodika amin’i Madagasikara noho izany ireo Raiamandreny ara-drazana. « Misy ny fametrahana na « investiture » izay hatao amin’ny sabotsy, raha tena Malagasy marina isika tompoko, dia tsy tokony hisy izany satria raha ny tolom-panafanafahana 1947, ny làlan-tsaina nitondrana izany dia tsotra hoe : miverina amin’ny Malagasy i Madagasikara, ny Malagasy no mitondra ny tany sy ny Fanjakana, miala ny menasofina, Malagasy amin’izay no mitondra ny tany sy ny firenena », hoy ny fanambarana narahina tehaka mirefodrefotra. Malahelo anefa izahay miteny satria mifanohitra amin’izany ny zava-misy ankehitriny satria governora jeneraly no apetraka hitantantana ny firenena fa miala ny Malagasy », hoy izy ireo. Manamafy izy ireo fa tamin’ny tolom-panafahana sy ny lalan-tsain’ireo Raiamandreny, dia voahota fady i Madagasikara, ary mbola mitohy ny fanotana fady satria mbola vazaha tsy tompon-tany no hapetraka hitondra ny tany sy ny Fanjakana.
TSY MANKASITRAKA NY FIHANIANANA, MANAITRA NY IRAISAM-PIRENENA
Raha tena Malagasy dia tsy tokony hisy ho tonga hanotrona izany lanonana izany, ary tsy tokony hisy izany, ka tokony hieritreritra izay mikarakara an’io, raha mbola vitany ka sahiny ny hanitsakitsaka ny hasim-panjakana hametraka vahiny hitondra ny tany sy ny Fanjakana, ka mbola ho mpitondra voazanaka no hitondra an’i Madagasikara. Zanaky ny mpanjanaka, ka mampanahy ny ho avin’ny firenena. Nankaiza ny tompon-tanindrazana no mitazam-potsiny ny fahavoazana ? hoy izy ireo. Amin’ny maha Raiamandreny tompon-tanindrazana, nanambara tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena sy sakaizan’i Madagasikara mba tsy ho tonga eny amin’io raha sanatrian’ny vava mbola misy ihany ny fiziriziriana, hoy hatrany ny fanambarana. Hentitra ireo Raiamandreny ara-drazana nanambara, fa horaisana ho fahavalon’i Madagasikara sy ny Malagasy satria mbola manohana ny fanotana fady ny tanindrazany, ka noho izany dia tsy tokony hisy ny amin’ny sabotsy, hoy izy ireo.
HANANGANA GOVERNEMANTA
« Hanangana governemanta hitantana ny tany sy ny Fanjakana izahay, na inona lazaina na inona ambara dia an’i Malagasy i Madagasikara, ka ny Malagasy no mametraka ny fitondrany sy ny Fanjakana izay hapetraka eto. Manomboka izao dia efa mieritreritra isika Malagasy fa tsy maintsy miomana amin’ny fametrahana fanjakana vaovao izay Malagasy no voalohany, Fanjakana mahaleo tena hapetraky ny Malagasy, ka ao anatin’izany, dia hotapahana manomboka androany fa tsy manan-kery eto Madagasikara ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 fa ny botom-bazaha no manome lanja izany, ka raha ohatra isika Malagasy tsy mbola voafolaka ho botom-bazaha dia samy manaiky izany, fa hiroso amin’ny fananganana Fanjakana vaovao », hoy ny fanambarana. Mba hahafahana manatanteraka izany, dia mangataka ny fampodiana ny diplaomasian’ny mpanjanaka hisintaka ao anatin’ny 72 ora mba handaminan’ny Malagasy ny firenena izy ireo, ka ento manaraka anareo ny governora jeneralinareo, hoy hatrany ny ARFM. Rehefa voalamina ny tanindrazana vao mamaritra ny fiaraha-miasa, ary tsy tokony hiverina eto raha tsy tafaverina ireo Nosy Malagasy, hoy izy ireo, izay naneho fa Madagasikara an’ny Malagasy. Efa midika tsy fankatoavana intsony ny Fanjakana tiana hatsangana sy mariky ny fandrodanana ny lalàmpanorenana no misy ka hosamborina ary ve ireo Raiamandreny ara-drazana hampanginana azy sy hisakanana ny dingana hataony dia ny fananganana governemanta sy Fanjakana tena Malagasy ?
Toky R
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina
Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.