airtel

Politique

22-févr-2024

Fanaovana tanalahy politika

Omaly nitarika hetsika fotsy dia anio hanohana volomboasary…

Sample post image

Vaovao politika tany amin’ny Faritra Fandriana tamin’ity herinandro ity

22-févr-2024

ny fanolorana an’Atoa Soloniaina Rasamoelina Andriamanampisoa Tale Jeneralin’ny Jirama teo aloha ary Minisitry ny angovo sy akoran’afo talohan’izao ho kandida ho depiote. Nisy ny fanangonana ireo ben’ny tanàna, ary hatramin’ireo hafa antoko, vao avy tao anatin’ny Hetsika Fotsy volana vitsy lasa, ben’ny tanàna lany tamin’ny Antoko na loko hafa tsy miara-dia amin’ny fitondrana, dia nivadika ho volomboasary tampoka. Tratry ny fanamarihana sy ny tsikera mivaivay ohatra ny ben’ny tanànan’i Fandriana sy ny ben’ny tanànan’Imito izay lasa nikasikety sy nisalotra ny lokom-boasary. Somary mahagaga ihany ary tsy hoy ny fanamarihana satria misy ny vao avy nitari-tolona nanao ny hetsika fotsy nanatsikafonana ny tsy mety ataon’ny Fanjakana, ny tsy fahambiazana, ny fahalotoan’ny fifidianana,… dia nitsimbambadika ho lasa olon’ny fitondrana tampoka teo. Anisan’ny tsikera nivaivay nataon’ireo ben’ny tanàna sasany vao volana vitsy lasa ohatra ny hoe : « Efa vita ve ny RN41 ? Mijoro isika manohitra ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao ? Tsia tsy ekentsika izany ! Miantso ny vahoaka rehetra aty amin’ny Faritra Amoron’i Mania mba hiaro ny olona mijoro amin’ny fahamarinana ». Tena nafana fo tamin’ny fitarihan-tolona, ka nilaza fa tolom-panafahana sy tolom-panavotana ny vahoaka Malagasy ity,… tsy vazivazy intsony ity fa tena ady ». Tampoka teo anefa, dia lasa Andriamanitra kely indray ilay mpitondra nolazaina tsy mahomby sy mpanjanan-tany amin’ny endriny vaovao. Marina fa mety miovaova araka ny rivotra mitsoaka ny politika raha ny eto Madagasikara, kanefa tena henjana ihany ilay fomba fanaovana politika tanalahy, na koa tsy mitaingina soavaly maty. Tratry ny fandrahonana noho ny mety ho aferam-pitantanana teo anivon’ny kaominina ve ka niofo tampoka ho volomboasary mba tsy ho tratry ny fanenjehana aoriana ? Tsy tranga iray rahateo no tahaka izany fa maromaro. Ireo ben’ny tanàna dia kotiana hiova loko, ka rehefa tsy mandeha mora dia hitadiavana hirika hamelezana azy. Misy ny matahotra noho ny mety ho tsy fahadiovam-pitantana dia miova loko satria matahotra ny hogadraina ohatra. Misy ihany koa anefa no mety tonga amin’ilay hoe : any aloha izao no misy ny vola ka aloha aleo manaraka volon-tany fa hikipiana ny foto-kevitra ara-politika ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap