airtel

Politique

24-août-2026

Fandravana

ny Antenimierampirenena Mafana ny adihevitra sy ny valy bontana...

Sample post image

Nafana tato ho ato ny fanambarana

24-août-2026

politika samihafa manodidina ny Antenimierampirenena, indrindra fa ny fandravana ity andrim-panjakana izay matetika miteraka adihevitra ity. Ny faran'ny herinandro, nisy ireo tanora nanao fanambarana fa mila ravana alohan'ny 25 septambra 2026 ny Antenimierampirenena, dia nisy hafa nilaza fa tsy mbola fotoanaby izao. Manomboka mivoaka sy mipoitra mamaly mivantana ireo depiote. "Inona no asan'ny Antenimierampirenena? Horavana ny Antenimierampirenena dia hanao fifidianana rahoviana ?" hoy ny depiote Rina Randriamasinoro izay Kestoran'ny Antenimierampirenena sady Sekretera jeneralin'ny Antoko TIM, tamin'ny haino aman-jery ny herinandro teo. Nilaza ity depiote ity fa tsy resy lahatra amin'ny Antenimierampirenena izay "légitime"", hoy izy, satria misy olona nifidy dia hosoloina olona tendrena amin'ny alalan'ny didim-panjakana. "Mbola ahitana amin'ny Antenimierampirenena amin'izao fotoana izao ny hery politika (force politique). Mbola misy na lazaina hoe forongony ao na ny mpanohitra tamin'izany ao na ny mpanohana ny fitondrana amin'izao, mbola tanjaka politika izany, ka tsy androany isika, hoy izy, dia hametraka hoe hery politika iray ihany sisa no tokony hipetraka amin'ny andrim-panjakana mpanao lalàna ka izay baikon'ny mpitondra iray no tanterahin'ny rehetra sy arahin'ny rehetra. "Raha ohatra hoe horavana ny Antenimierampirenena satria be dia be ny depiote tsy tokony ho lany kanefa natao lany satria izay no nataon'ny mpitondra teo aloha dia ravao fa ataovy mazava hoe tsy maintsy haverina ny fifidianana afaka 2 na 3 volana, fa hanendry olona izay mety hanao zavatra hoe feo iray fotsiny ny ao anatin'ny Antenimierampirenena", hoy hatrany i Rina Randriamasinoro.
Andro vitsy lasa, nanangam-bovona ny depioten'Ikalamavony Pety Rakotoniaina nilaza fa tsy i Elia Rabevahiny izay mpitarika ny Otrikafo-KFIM sy ny RMDM no hanome lesona azy ireo amin'ny fanaovana politika, teo anatrehan'ny filazan'ity farany fa mila ravana ny Antenimierampirenena. Nilaza fa matihanina amin'ny mpanao politika ny tenany, ary nilaza fa tena nanao be. Ity farany izay nilaza fa tokony tsaraina amin'ny asany ny Antenimierampirenena ka nitanisany ny fanadihadiana parlemantera ny Jirama, ny lalàna manome alalana ny Fanjakana hanafatra solika, famerenana ny tany nalain'ny mpanjanantany,... Ny lalàna notapahanay no ampiharina handaminana ny Firenena. "Ianareo mihitsy no manohitra fa misy fanavaozana eto", hoy i Pety Rakotoniaina.
Efa nilaza andaniny ny depioten'Arivonomamo sady Filohan'ny FIVOI fa "tsy manana olana amin'ny fandravana ny Antenimierampirenena raha izay no tapaky ny rehetra. Taratry ny demokrasia anefa ny Antenimierampirenena amin’ny fisian’ny solotena isaky ny distrika ka fanontaniana no napetrany amin’ny mety hanolo ireo solombavambahoaka. Rehefa miseho, hoy izy, ny tranga toy ny misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana dia misy ireo vondrona politika mitsangana sy solombavambahoaka manangana vovonana sy fikambanana milaza ho mpanohana ilay fitondrana. Efa nisy izany tamin’ny taona 2025 izany rehefa nanomboka ny hetsiky ny tanora saingy ireo efa namono ny hetsiky ny tanora sy niaro ilay fitondrana teo aloha ihany no mbola manao izany ka nambaran’ity solombavambahoaka ity fa tsy soavaly ilay firenena sy fanjakana fa tokony hanana foto-kevitra ara-politika. Hatrany am-piandohana, nafana ny adihevitra. Io rafitra io izay nosokajiana ho rafitra ara-dalàna sy araka ny lalàmpanorenana, miaraka amin'ireo hafa toy ny HCC, CENI,... izay entina anehoana fa mbola anatin'ny lalàmpanorenana isika. Ny adihevitra kosa dia ny hoe: raha horavana dia inona no atao ? Tena mbola mifanaraka amin'ny fironan'ny vahoaka Malagasy ve ny Antenimierampirenena izay nolivaina tamin'i Andry Rajoelina ka izy niongana fa ny depiote miova loka dia milamina ? Tena araka ny tombotsoam-bahoaka ve sa sanatria lasa resaka tombotsoa sy tsio-drivotra politika no mibaiko fa tsy ny tena tombotsoam-bahoaka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Lohavehitra 7, ho voaresaka ireo raharaha mafana ?

Card image cap
21-août-2026

Raha vao miresaka fianakaviambe

Card image cap
21-août-2026

ary mahafantatra tsara ny fiasan’ny SADC»

Card image cap