airtel

Politique

01-févr-2024

Fanendrena sekreteram-panjakana

Mikatso ara-drafitra sy ara-bola sahady ny fitondrana…

Sample post image

Efa ny 31 desambra lasa teo no nanambarana, fa hisy ny fananganana Sekreteram-panjakana

01-févr-2024

miisa 9 eo ambany soroky ny Filohan’ny Repoblika, toy ny Sekreteram-panjakana hisahana ny fampidirana jiro eny ambanivohitra sy isan-tokantrano ; ady amin’ny fahantrana ; fanjarian-tsakafo ; Plan et économie » ; Tanora sy ny ady amin’ny zava-mahadomelina ; digitalisation; varotra sy fanjifana ; asa tànana,... Nambara fa vitsy ny olona hiasa amin’ireo, eo amin’ny 20 na 15 fa raha minisitera dia lasa manana talem-paritra. Ny 14 janoary 2024 no notendrena ireo mpikamban’ny governemanta miisa 27, fa mbola tsy misy aloha hatramin’izao ny fanendrena ireo Sekreteram-panjakana miisa 9, raha noheverina fa hihazakazaka io, kanefa voalaza fa mangotraka ny adihevitra amin’ny fametrahana azy ireo. Nahoana no tsy mety voatendry sa manana olona eo amin’ny arak’olona na koa sarotra ny mandravona ny ady sisika ? Endrika iray toa naneho, fa mba hanakotankonana an’ilay hoe : nampitomboina ny Minisitera mba hanomezana toerana ireo akama nanohana. Hafahafa ihany koa io endri-pitantanana io satria lasa miteraka Fanjakana roa aloha na « Bicéphale » ka ny andaniny izany eo ambany fitarihan’ny Filoham-pirenena mivantana, ary ny iray eo ambany fitarihan’ny Praiminisitra. Tsy dia manome endrika fitsinjarana fahefana, fa toa fampivangongoana rafitra any amin’ny Filoham-pirenena mba hanehoana fa miasa sy manao zavatra. Lasa misy endrika fifangarihana sy fifanitsahana amin’ireo Minisitera, ary niteraka fiovan-drafitra mihitsy satria karazan’ny misy ampahana fahefana nakisaka. Ny rafitra Sekreteram-panjakana izany, dia tokony ho any amin’ny governemanta, raha ny firesaky ny manam-pahaizana. Efa voalanjalanja nialoha ve ny fametrahana an’ireo Sekreteram-panjakana ireo sa nentina amin’ny politikan’ny kitsapatsapa matoa tsy mety tanteraka hatramin’izao ? Efa voavolavola tao anatin’ny tetibolam-panjakana ve ny fametrahana sa dia nalefa tamin’ny kihanjohanjo ? Tao anatin’ny fanolorana ny tetibolam-panjakana farany, lany tsy misy fanovana ny lalàna, tsy misy dia voafaritra ny tetibolan’ireo sekretariam-panjakana,… Sa ny tetibolan’ny Fiadidian’ny Repoblika no hotsinjaraina tsirairay amin’ireo ? Endrika maneho sy manamafy hatrany io tsy fahavitana nametraka sekrteram-panjakana io fa anaty krizy na ara-politika na ara-bola ny fitondrana. Tahaka ny olana amin’ny fanendrena sy fametrahana masoivoho any ivelany ihany, izay nahavita nanangona CV 303 sy nanao serasera mipoapoaka, saingy mandrak’ity ny androany mbola azo isaina amin’ny rantsan-tànana. Ny resaka fananganana an’izany ve tokoa ve anefa no vahaolana sa ny fisiana politikam-panjakana mazava sy fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola tena mipaka eny ifotony sy tena mifandraika amin’ny filàny ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap