Nanamafy ny Minisitry ny Fitsarana Rtoa Fanirisoa Ernaivo omaly, fa ny HCJ no hahafahana mitsara an’i Andry Rajoelina. Raha mbola am-perin’asa izy dia ny « mise en accusation » no mampitsahatra azy. Efa nitsahatra tamin’ny asany izy, saingy misy foana ny « accusation » izay hahafahana manao « saisie » ny Tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny HCJ hanokatra ny fanenjehana ara-pitsarana. Efa anatin’ny fandaharam-potoan’ny Antenimierampirenena ny « mise en accusation » an’i Andry Rajoelina raha ny resaka nifanaovako tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ary nangatahana halefa aloha. Raha tsy tanteraka io, dia jerena ny fomba hafa satria izy tsy manana zom-pirenena no nisandoka ho filoham-pirenena Malagasy, ka mety izay ihany koa no hitondrana azy. Ny herinandro lasa teo moa no efa nilazan’io Minisitra io, fa azo atao tsara ny famoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena, fanagiazana fananana, fanagiazana kaonty,… rehefa mizotra ny dingana ara-pitsarana, dia handeha hatramin’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena izay ialokalofany, ka ny tanjona tsy hanenjika sy hanameloka fotsiny, fa ny hamerina ihany koa ny volam-bahoaka nahodinkodina. Dia andrasana indray izany ny tohiny…
Toky R