voafidy tamin’ny anaran’ny TIM, tao amin’ny Boriborintany fahadimy eto Antananarivo. Raha hiverenana dia nosamborina teny Mahamasina ny andron’ny 08 novambra 2023 nandritra ny hetsika famoriam-bahoaka notarihin’ny Firaisankinan’ny kandida, ka notazonina am-polo andro teny amin’ny tobin’ny zandary misahana ny heloka bevava. Fitarihana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana no vesatra anenjehana azy, ary nolazaina fa tratra ambodiomby, ka tsy voaaron’ny zo tsy azo henjehina amin’ny maha solombavambahoaka. Efa fanintelony nihemotra anefa ny didim-pitsarana azy satria efa tokony ho nivoaka ny 19 desambra, avy eo nihemotra 30 janoary, ary izao anio 06 febroary izao indray. Efa fihemorana fanintelony io, ka raha ny lalàna dia tsy maintsy mivoaka amin’io fanintelony io ny didim-pitsarana mikasika ity Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM eo anivon’ny Antenimierampirenena ity. Samy miandry ny rehetra hoe : hanao ahoana ? Efa akaiky ny fifidianana manaraka ka hotataovana sazy mba ho fampanginana sy kapa vava ranjo ara-politika mba tsy ho afaka mandray anjara amin’izay fifidianana izay sa hanao ahoana ? Ny hoe : hahazo fahafahana madiodio aloha toa ho sarotra raha tarafina tamin’ireo fitsarana ara-politika samihafa ary toa lasa miampanga tena ho nanao fisamborana tsy ara-drariny tokoa ny mpitondra. Ady fiady amin’ny politika rahateo ny tahaka izao rehefa jerena amin’ny fomba fiasan’ny Fanjakana volomboasary hatramin’izay. Andrasana anefa izay ho didim-pitsarana anio.
Toky R
Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly
Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.
Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana
Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina