airtel

Politique

28-févr-2022

Politique

Fanilikilihana sy antsojay Nampitandrina ny Fitondrana i Hajo.A

Sample post image

Miova ny tsio-drivotra politika ao anatin’ny Fitondrana. Nitondra fampitandremana miezinezina izay miantefa amin’ny Fitondrana ny antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivelo,

28-févr-2022

 Minisitry ny Fanajariana ny tany, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy midika ho fanekena ny zavatra rehetra misy eto amin’ny firenena ny fahanginan’ny Antoko, ary tsy hoe tsy miteny akory ny MMM, tsy hoe mangina ny MMM, fa amin’ny fiainana dia misy hiakiakan’ny fahanginana ihany koa. Tsy hoe rehefa mangina akory dia tsy marary fa raha misy tsy mety eo, misy marary dia aleo aloha mangina satria raha misokatra io vavantsika io indray andro any, mety hanahirana ilay izy…”, hoy i Hajo Andriainarivelo, izay naneho fa miasa aloha hanaporofoana fa ny fananginana dia ao anatin’ny asa ihany koa”. Naneho fa Antoko manana ny maha izy azy ny MMM, nametraka ny rafitra rehetra manerana ny Nosy, nandray anjara tamin’ny fifidianana rehetra nisy teto amin’ny Nosy, ary manana olona, ka nampitandrina fa aoka tsy hifanindritsindry. Maherin’ny 300 ny ben’ny tanàna, 2500 ny mpanolontsaina, manana olona ao amin’ny Antenimieram-pirenena sy Antenimierandoholona. Maro amin’ireo depiote lany tamin’ny anaran’ny IRD no MMM, ary nifaninana mivantana tamin’ny Vondron’Antokon’ny Fitondrana ihany koa ny MMM tamin’ny fifidianana loholona farany teo, raha tsiahivina.
« AZA MIFAMPITSAPATSAPA… »
Nampitandrina manoloana ny antsojay, tsindrihazolena, fanilikilihana ireo olom-boafidy lany tamin’ny anarany noho io Antoko io. “Isika olona mandala ny fihavanana, fa kosa na zanaka aza rehefa manaiki-nono ahifika, ka aoka tsy hifampitsapatsapa mihitsy amin’ny Malagasy Miara-Miainga amin’ny fanaovana politika…”, hoy I Hajo Andrianainarivelo hentitra dia hentitra. Nanao antso avo amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra mba tsy hanao antsojay an’ireo olom-boafidiny. “Miangavy anareo izahay mba tsy hikitikitika na hanao halako bika tsy tiako tarehy fa ny Fanjakana iombonana amin’ireo olom-boafidy Malagasy Miara-Miainga manerana an’i Madagasikara. Hatao ankilabao ve izany olona rehetra izany, ka asakasakareo, fa izahay dia manasa tànana raha toa ka ny Malagasy Miara-Miainga no hanaovana toetra tsy zaka manomboka izao. Manasa tànana izahay satria vahoaka no niaraka taminay fa tsy hoe: tsy vahoaka no nifidy an’ireo satria misy mieritreritra fa izy irery ihany no lanim-bahoaka fa samy lanim-bahoaka. Tsy ekena, tsy ekena, tsy ekena,… ny fieritreretana fa mahavita tena irery amin’ny fampandrosoana an’ity Madagasikara ity”, hoy i Hajo Andrianainarivelo nampiandrina. Nilaza ho efa nahavita fikaonan-doham-paritra sy nametraka rafitra tamin’ny faritra 20, ary mitohy ny fametrahana rafitra. Tsy vao sambany no nisy ny fampitandremana tahaka izao nataon’ireo Antoko nanohana sy nampandany an-dRajoelina, eo anatrehaan’ny antsojay atao amin’ireo olom-boafidiny, fa efa nanao tahaka izao ihany koa ny AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) tarihin’I Norbert Lala Ratsirahonana, izay naneho aza fa tsy mba misy olony ao anatin’ny Fitondrana. Toe-javatra maneho izao, fa mihena ny herin’ny Vondron’antoko miara-dia amin’ny Fitondrana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Tontosa ny zoma 26 aprily 2024 ny fotoam-pivavahana fitsofan-drano ny kandida solombavambahoaka,

Card image cap
29-avril-2024

Ny talata 7 mey ho avy izao no hanomboka ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena

Card image cap
29-avril-2024

Betsaka ireo maharary ny vahoaka ilana fanovana eto amintsika raha araka ny fanazavan’ny kandida ho depiote

Card image cap
26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap