airtel

Politique

19-oct-2022

Politique

Fanjakana kitoatoa  Sosialy aotra  Toekarena tsy voafehy  Diplaomasia tsy hay

Sample post image

Ity Fitondrana Rajoelina ity angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe: “tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika”, sady tsy velon-kantenaina no tsy maty hafoy,...

19-oct-2022

Manangan-tsampona sy manondrana mandavan-taona, tsy misy zavatra tena voafehy ny fitantanana firenena, fa dia mandeha fahoany fahoany fotsiny. Mbola sahy milaza fa tsy misy krizy eto, kanefa ny sosialy tsy voafehy hany ka mitotongana miha mahantra fadiranovana ny vahoaka, fanadiovan-tena sy fanilihana amin’ny zava-misy iraisam-pirenena hatrany, tafiakatra hatrany amin’ny 81% ny tahan’ny mahantra fadiranovana, manodidina ny 8 tapitrisa ny olona mbola ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka,… Ny resaka vidim-piainana ambony ambany, ny solika lafo indrindra maneran-tany raha tarafina amin’ny tomban’ny harena isaky ny mponina. Mitotongana ambony ambany ny toekarena, latsaky ny 540dolara ny tomban’ny harena isaky ny mponina, raha toa ka mahatratra hatrany amin’ny 30 000 dolara ny an-dry zareo Maorisianina. Ny resaka diplaomasia moa tsy hay, io lasa raharaha goavana na “scandale”, afa-baraka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria politikan’ny mivoaka miditra tahaka ny lelon-jaza hatrany am-boalohany. Olona 32 raha be indrindra ny mandrafitra ny governemanta, saingy ireo aza tsy voafehy, raha tarafina amin’io raharaha fanapahan-kevitra momba ny adin’I Ukraine sy Rosia nanesorana ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Richard Randriamandranto io. Mitombina hatrany ilay fanasokajiana nataon’ny vahiny niainga tany amin’ny tetezamita hoe: “sans qualité”. Raha ny resaka diplaomasia sy raharaham-bahiny, efa faninefany niova izay ny Minisitra, ary hiditra amin’ny fahadimy raha hisy ny fanendrena vaovao. Tsy fahamatorana, ary tsy fahaiza-mitantana miharihary izany. Ny resaka fanendrena masoivoho, miisa 5 no voatendry nanomboka ny 2019, kanefa ny an’ny vahiny mirarakopana ny fahatongavany eto. Tany amin’ny propagandy aza moa, efa niharihary ny tsy fahamatorana toy ilay filazana sy fireharehana fa tsy mila famatsiam-bola amin’ny mpamatsy vola mahazatra, fa mampahantra firenena, tsy hampandroso na hatramin’ny 2060 aza, fa rehefa Rajoelina no eo izy indray no hampindram-bola amin’ny Kaomoro… Lojika raha feno tsy fahamatorana tahaka izao ny fanapahan-kevitra eo amin’ny sehatry iraisam-pirenena. Ankehitriny, tonga hatrany amin’ny hoe manarama kabinetra any ivelany hanarenana ny laza ratsy, hanatsaratsara endrika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, saingy mbola izao hatrany no mitranga. Raha ny resaka afera maloto, trafika, fandrobana harem-pirenena sy volam-panjakana,… dia mety talentan’ny mpitondra ankehitriny, fa raha fitantanana sy fampandrosoana firenena, loza amin’atambo raha mbola hiampy 5 taona manaraka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap