airtel

Politique

26-août-2022

Politique

Fanjakana Rajoelina Izay hitsabahany mikorontana avokoa…

Sample post image

Asa na fifandrifian-javatra n any mpitondra mihitsy no minia mampiady angely, fa izay itsabahany sy hidirany toa mikorontana avokoa.

26-août-2022

Io izao ny taxi-moto sy ny taxi ampiadiana, ka ny volavolan-dalàna efa notsipahin’ny mpanolontsaina monisipaly 49/54 tamin’ny aogositra 2021 no terena haverina hodinihina sy holaniana. Ny tsy ara-dalàna nomena alalana hanao diabe in-droa izay, fa ny ara-dalàna nosamborina ny mpitarika. Tompon’andraikitra amin’izay mety ho korontana ny ben’ny tanànan’Antananarivo hoy ny Taxi, izay nanambara fa hanao hetsika goavana sy faobe ny 30 aogositra hoenti-manohitra io fikasana io. Akaiky ny fifidianana, ka dia sitrany ahay azo ny vaton’ny taxi-moto? Ny fiangonana tsabahan’ny mpanao politika volomboasary toy ilay raharaha Fiangonana Jesosy Mamonjy dia niaraha-nahita ny zava-niseho. Ny fifidianana mbola tsy milamina, misy mpanao politika misosoka sy mahitahita milaza fa tompon’ny Fanjakana, hany ka toherin’ny mpino sasany ny “récépissé” mivoaka. Rehefa avy nakorontana ny mivantana na ankolaka ny Fiangonana, nangina tsy hita ilay depiote IRD, ary aoriana mbola sahy milaza fa misy devoly sy karamain’ny mpanao politika ny mpino sasany ao amin’ny Jesosy Mamonjy kanefa izy no isan’ny fositra voalohany. Iny adihevitra goavana iny indray ny fampidirana loko politika amin’ny Fihaonamben’ny tanora katolika na ny JMJ Mada hatao any Antsirabe. Tsy finiavana hanakorontana na hisintona lakolosy fa avy tao anatin’ny fiangonana ihany no nivoahan’ny loharanom-baovao fa misy ireo tanora, ireo relijiozy tsy dia nankasitraka loatra ilay loko politika. Misy rahateo ny vola fandraisana anjaran’izy ireo amin’ny fanatontosana ny JMJ. Manaja izay tapaky ny Raiamandreny dia ny Eveka izy ireo na eo aza izany. Nanadio ny sain’ny rehetra rahateo ny Fivondronamben’ny Eveka, ary nohamasin’ny Evekan’Antsirabe Mgr Philippe Ranaivomanana fa hoe: “tsy manisy olana amin'ny lokon'ny fanomezana velively ny fiangonana fa raisina amin'ny fo madio izay manolotra fanomezana sy fanampiana. Ka ho anareo izay manana olana amin'ny hira faneva sy ny resaka loko dia hivavaka sy hiombona no ataon'ny tanora JMJ aty Antsirabe fa tsy hiady hevitra amin'ny resaka loko". Tsy ny fiangonana no diso, tsy ny fiangonana no mampiditra loko politika ao aminy, fa ny mpitondra no miezaka mafy te handoko ny fiangonana amin’ny loko politikany. Na noraisina na tsia ilay fanomezana, tsy maintsy resabe foana, izay ny mpitondra no tokony handinin-tena. Ampahany ireny, fa hita taratra ilay hoe: ny mpanakorontana tsy mahay mandamina, fa ny mpandamina mahay manakorontana.
Legende:Anisan’ny tena niteraka savorovoro ny fanaovana ny digitalisation teny amin’ny oniversite (Sary Tahiry)
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap