airtel

Politique

11-juin-2024

Fanjakana tsy ampy vola, tsindrin’ny PTF

Hihamafy ny fitakian-ketra, hiakatra ny solika…

Sample post image

Nihena 83 tapitrisa dolara eo ny fampidiram-bolan’ny Fanjakana. 3,35 miliara euros

11-juin-2024

ny tomban’ny fandaniana no nahena 2,62 miliara euros, izany hoe nisy fidinany 728 tapitrisa euros, raha ny tatitra sy fampahsatsiahivana nentin’ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence omaly 10 jona. Tsy ampy fididram-bola ny Fanjakana, tsy ampy hiodinan’ny Fanjakana intsony ny vola, miteraka ny fitakian-ketra mihoampampana mampitaraina orinasa maro,… Ny 66 tapitrisa tapitrisa euros (320 miliara Ar) azo tamin’ny lohataona anefa tsy ampy hanentsenana ny kitapombolam-panjakana, ary manampy trotraka izany ny tsy tena fisian’ny fampiasam-bola vahiny matevitevina eto. Eo ihany koa ny trosa goavana, toy ny an’ny Madagascar Airlines tafakatra 40 tapitrisa dolara, ny jirama,… Ny volana septambra izo no mety hisian’ny famoaham-bola avy amin’ny Baky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tohana ara-bola na « Appui budgétaire » 100 tapitrisa dolara, miampy ny an’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na ny BAD 132 tapitrisa dolara anatin’ireo antsoina hoe PTF na mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, saingy mbola arahina fepetra. Voalazan’io fampahalalam-baovao vahiny io ihany koa, fa miezaka mandresy lahatra ny solontenan’ny FMI eto ny Fanjakana. Ny volana mey teto no nandray ny delegasionin’ny FMI avy any Washington momba ny fahazoana ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) vaovao sy ny FRD (Facilité pour la Résilience et la Durabilité) izay nanaovana serasera be fa hahazo 66 tapitrisa dolara na 2 960 miliara ariary mitsinjara ao anatin’ny 3 taona.
FANAMPIANA MISY FEPETRA
Mazava ho azy, araka ny efa fomba mahazatra nahafatarana azy hatrizay dia nametraka fepetra ny mpamatsy vola toy ny FMI, ka raha ny taitry ny Africa Intelligence hatrany dia tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana tale jeneraly vaovaon’ny Jirama ; ny fandaniana ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibola ka hampihenana ireo fandanian’ny fanjakana ary ny fampiakarana ny vidin’ny solika mba hanaja ny vidiny tena izy tsy misy tohana ara-bola. Efa voatendry ilay teratany Israeliana tale jeneralin’ny Jirama ; lany omaly teny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna fanitsiana. Mety efa ho avy tsy ho ela koa izany ny fampiakarana ny vidin-tsolika, izay ao anatin’ny tsindry ny fampiharana ny vidiny tena izy na « vérité de prix ». Henjana ny mety ho fiantraikan’io ara-tsosialy, kanefa raha ny hita niainga tany amin’ilay fampiakarana vidin-tsolika ny jolay 2021 dia tsy tena nisy vahaolana nahomby, fa nanidintsidina na ilay fampiakaran-karama goragora ny fampiharana, fa teo ihany koa ilay resaka bus 1000,… Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fifehezan-tenda ho an’ny fitantanana ny volam-panjakana izany ny fitondrana, ary hiezaka hampitombo ny vola miditra aminy na avy ato anatiny amin’ny alalan’ny hetra sy haba ato anatiny na amin’ny alalan’ny fitadiavana famatsiam-bola izay hita ho mareforefo ny amin’ny Tandrefana ka io manao pimaso amin’ny tantsinanana io.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap