omaly talata 10 jona 2025. Nampiseho ny fahatezerany ireo mpianatra noho ny fahatapahan-jiro sy rano, olana efa mahazo vahana hatramin’ny ela saingy tsy mbola nisy vahaolana maharitra. Tahaka izany ihany koa ny olan’ny trano fidiovana sy fotodrafitrasa samihafa, izay efa nampanantenan’ny mpitantana vahaolana hatry ny ela, fa tsy nisy vokany. 60 tapitrisa Ar isan-taona ny vola aloan’ny mpianatra, tsy misy tamberiny, tsy misy mandraharaha, fandriampahalemana aotra,… hoy izy ireo. Toy ny mahazatra, niroso tamin’ny fanakanan-dalana, fandorana kodiarana, ary fanehoana am-pahibemaso ny fahatezerany ireo mpianatra. Nanafana ny toe-draharaha ny fidiran’ny “forces de l’ordre” izay tonga nitsoaka lakrimozenina sy nandroaka ireo mpanao hetsika. Raikitra indray ny fifandonana. Vokatry ny savorovoro, nisy indray ny fahapotehan-javatra toy ny fahamaizana tsena may. Tsy kisendrasendra fa nifanandrify tamin’ny fandaharam-potoana nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony fa hisy fanadiovana faobe miaraka amin’ny mpianatra no nipoiran’ny rotaka. Tonga teny an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony, Pr Chaminah Loulla, saingy nomen’ny mpianatra lamosina. Araka ny fanambarana nataon’ny minisiterany, natomboka omaly ny fanorenana château d’eau mahazaka mpianatra miisa 3 000 ho anisan’ny vahaolana maharitra amin’ny olan’ny rano. Mitohy koa ny fanarenana trano fidiovana sy fivoahana, ary efa misy fanadihadiana ny amin’ny fanamboarana tamboho manodidina ny sekoly. Nambara fa hanomboka mirehitra manomboka amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora alina ny herinaratra, vahaolana vonjimaika,... Hisy « citerne » sy « bonbonnes » hamatsy rano avy hatrany hanampy ireo mpianatra. Efa mandray andraikitra amin’ny famahana ny olan’ny vatsim-pianarana, hisy fanaraha-maso ihany koa ny momba ny “Ticket de versement” eny anivon’ny CROU-A,... Na izany aza, zary zava-mahazatra ny fitanisana lisitra vahaolana vonjimaika sy fanambarana zavatra hatao fa tsy vao izao. Miandry rotaka vao mikoropaka hatrany milaza fa hamaha olana. Taratry ny fitantanana “tip-top” izay mamono afo no tena atao, fa tsy misy fitantanana tena mahomby sy maharitra.
EFA HO LAVA…
Ankoatra ny teny Vontovorona, nidina an-dalambe ihany koa ny vahoaka teny Manarintsoa Isotry omaly hariva noho ny delestazy ora maro isan’andro. Taratra amin’izao ny fahatezeran’ny mponina amin’ny delestazy mitarazoka, izay efa miteraka fikorontanan’ny fiainana andavanandro, tsy amin’ny lafiny ara-tsosialy fotsiny fa hatramin’ny sehatra ara-toekarena. Na dia efa maro aza ny grevy sy fitokonana natao, dia fitondrana amin’ny basy sy entona mandatsa-dranomaso no valin'izany, ankoatra ny fampanantenana efa lany andro sy hain’ny olom-pirenena tsianjery izay efa tsy mahataitra ny olona intsony satria vahaolana no azo tsapain-tanana no andrasana fa tsy kabary mandavan-taona.
Toky R
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia