airtel

Politique

17-févr-2022

Politique

Fanovana governemanta Andrasana aorian’ny fiverenan’ny Filoha

Sample post image

Any amin’ny fivoriana iraisampirenena any Eoropa moa amin’izao fotoana izao ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina.

17-févr-2022

Isan’ireo mpitondra fanjakana manatrika ny fihaonana an-tampon’ny vondrona eoropeanina sy afrikanina andiany faha 6 ao Bruxelles, Belzika, ny tenany, raha ny fampitam-baovao voaray. Manomboka anio 17 sy rahampitso 18 febroary no hanatontosana ity fihaonana an-tampony ity ary azo fintinina amin’ny hoe fifampidinihana mikasika ny fifanakalozana eo amin’ny kaontinanta roa tonta hatrany moa no votoatin’ny dinika amin’izany. Eo ny lafiny diplaomatika fa eo indrindra koa ny lafiny toekarena izay mametraka fanahiana ara-politika goavana na hoe “enjeux politique” hatrany mikasika ireo harem-pirenena aty Afrika. Tsetsatsetsa tsy aritra iny fa etsy ankilan’izay dia andrasana ao aorian’io dian’ny filoham-pirenena any Bruxelles io izany ny fanovana ny governemanta satria dia efa tapitra indray ny fe-potoana 6 volana heverina fa nanaovana ny tombana momba ireo mpikamban’ny governemanta amin’ny endriny ankehitriny. Tsikaritra ho mamaivay rahateo amin’izao fotoana izao ny fanakianana mahazo ireo mpikamban’ny governemanta ary tsy miafina io fa miharihary ho hita manao izany daholo na ireo ivelany fitondrana na ny ao anatiny. Isan’ireo nampaneno lakolosy ny amin’ny tokony hitakiana ny fandravana manontolo ny governemanta ny mpandinika fiarahamonina, Soalihy Moussa, izay mitonona ho mpanohana ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, andaniny. Nitaky izany koa ny depiote Todisoa Andriamapandry, izay solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny antoko politika Tiako I Madagasikara tao amin’ny boriboritany faha 6, ankilany. Nialoha ireo koa, izay mampisavorovoro ny fitondrana ankehitriny, ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tao Ikongo, Brunelle Razafitsiandraofa, izay voalaza ho tsy mankato ny fomba fiasan’ny governemanta amin’izao endriny izao mihitsy ary dia iny nampanantsoin’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana hanome fanazavana momba izany fihetsiny izany mihitsy moa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap